STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 019 (Who is the true God 4) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
19. Iza no tena Andriamanitra marina 4Tezitra be tamin'i Elia i Ahaba mpanjaka. Ahaba: "Io mpaminany io no tokony homen-tsiny noho ny tsy fisian'ny orana nandritra ny fotoana ela." Tena feno fahatezerana Ahaba. Adinony ve fa nisy izao hain-tany izao satria nahafoy an'Andriamanitra velona izy? Telo taona izay no lasa. Telo taona tsy nisy na dia pitik'orana akory. Dia lasa Ahaba nankany amin'i Elia, izay niteny taminy hoe: Elia: "Ry Ahaba mpanjaka ô, raha irinao ny hilatsahan'ny ranonorana, dia vorio ny olona rehetra sy ny mpisorona rehetra izay mivavaka amin'i Bala; hihaona indray isika eo an-tendrombohitra Karmela. Ho hitantsika eo hoe iza no tena Andriamanitra, i Jehovah sa i Bala?" Nanaiky hanao araka izay nolazain'i Elia taminy i Ahaba. Ary nony maraina, dia niakatra ho any an-tampon'ny tendrombohitra ny olona. Inona no hitranga? Ary Elia niantso ny vahoaka hoe: Elia: "Mandra-pahoviana no hisalasala eo amin'ny roa tonta ianareo? Manapaha hevitra anio hoe iza no tianareo hotompoina: Andriamanitra Tompo sa Bala." Nangina ny vahoaka. Nijery an'i Elia nanorina alitara izy ireo sady nametraka biby natao sorona teo amboniny. Nanao toy izany ihany koa ny mpisoron'i Bala. Elia: "Andraso aloha! Aza mampirehitra afo! Samia mivavaka amin'ny Andriamaniny. Ary izay Andriamanitra mampidina afo avy any an-danitra no Andriamanitra marina." Niaraka tamin'izay dia nangataka nandritra ny ora maro ny mpianatr'i Bala saingy tsy nahazo valiny avy any an-danitra. Nihomehy azy ireo i Elia: Elia: "Ha. Mila miantso mafimafy kokoa ianareo. Mety matory angamba ny andriamanitrareo, na any am-pialana sasatra!" Nandraraka rano teo amin'ny alitarany sy teo ambonin'ny hazo mihitsy aza i Elia. Nisy fahanginana lehibe tamin'izany fotoana izany. Tsy mirehitra ny hazo rehefa mando, sa tsy izany? Tamin'ny feo mahery sy tamin'ny fony manontolo no nivavahan'i Elia hoe: Elia: "Andriamanitra Tompo ô, asehoy amin'ny vahoakanao anio fa Andriamanitry ny Israely Ianao, ary izaho dia mpanomponao." Oay! Tampoka teo dia nisy afo nilatsaka avy tany an - danitra ka nandevona ny sorona, ny hazo, ny vato, ary na dia ny rano aza! May avokoa ny zava-drehetra. Taitra ny olona, dia niankohoka tamin'ny tany ary niara-nihorakoraka hoe: Vahoaka: "Andriamanitra no Tompo! Andriamanitra no Tompo!" Resy lahatra avy hatrany ny olona; ireo mpisoron'i Bala dia tsy maintsy hovonoina. Andriamanitra no Tompo! Nivavaka tamin'Andriamanitra indray i Elia, ary avy eo dia nitsoka ny rivotra ary nanatona ny rahona mainty. Nilatsaka ny ranonorana voalohany, ary nandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra indray ilay Andriamanitra velona. Mpandray anjara: Mpitantara, Ahaba, Elia, vahoaka © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |