Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
Spotify Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 019 (Who is the true God 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

19. Iza no tena Andriamanitra marina 4


Tezitra be tamin'i Elia i Ahaba mpanjaka.

Ahaba: "Io mpaminany io no tokony homen-tsiny noho ny tsy fisian'ny orana nandritra ny fotoana ela."

Tena feno fahatezerana Ahaba. Adinony ve fa nisy izao hain-tany izao satria nahafoy an'Andriamanitra velona izy?

Telo taona izay no lasa. Telo taona tsy nisy na dia pitik'orana akory.

Dia lasa Ahaba nankany amin'i Elia, izay niteny taminy hoe:

Elia: "Ry Ahaba mpanjaka ô, raha irinao ny hilatsahan'ny ranonorana, dia vorio ny olona rehetra sy ny mpisorona rehetra izay mivavaka amin'i Bala; hihaona indray isika eo an-tendrombohitra Karmela. Ho hitantsika eo hoe iza no tena Andriamanitra, i Jehovah sa i Bala?"

Nanaiky hanao araka izay nolazain'i Elia taminy i Ahaba.

Ary nony maraina, dia niakatra ho any an-tampon'ny tendrombohitra ny olona. Inona no hitranga? Ary Elia niantso ny vahoaka hoe:

Elia: "Mandra-pahoviana no hisalasala eo amin'ny roa tonta ianareo? Manapaha hevitra anio hoe iza no tianareo hotompoina: Andriamanitra Tompo sa Bala."

Nangina ny vahoaka. Nijery an'i Elia nanorina alitara izy ireo sady nametraka biby natao sorona teo amboniny. Nanao toy izany ihany koa ny mpisoron'i Bala.

Elia: "Andraso aloha! Aza mampirehitra afo! Samia mivavaka amin'ny Andriamaniny. Ary izay Andriamanitra mampidina afo avy any an-danitra no Andriamanitra marina."

Niaraka tamin'izay dia nangataka nandritra ny ora maro ny mpianatr'i Bala saingy tsy nahazo valiny avy any an-danitra. Nihomehy azy ireo i Elia:

Elia: "Ha. Mila miantso mafimafy kokoa ianareo. Mety matory angamba ny andriamanitrareo, na any am-pialana sasatra!"

Nandraraka rano teo amin'ny alitarany sy teo ambonin'ny hazo mihitsy aza i Elia. Nisy fahanginana lehibe tamin'izany fotoana izany. Tsy mirehitra ny hazo rehefa mando, sa tsy izany?

Tamin'ny feo mahery sy tamin'ny fony manontolo no nivavahan'i Elia hoe:

Elia: "Andriamanitra Tompo ô, asehoy amin'ny vahoakanao anio fa Andriamanitry ny Israely Ianao, ary izaho dia mpanomponao."

Oay! Tampoka teo dia nisy afo nilatsaka avy tany an - danitra ka nandevona ny sorona, ny hazo, ny vato, ary na dia ny rano aza! May avokoa ny zava-drehetra. Taitra ny olona, dia niankohoka tamin'ny tany ary niara-nihorakoraka hoe:

Vahoaka: "Andriamanitra no Tompo! Andriamanitra no Tompo!"

Resy lahatra avy hatrany ny olona; ireo mpisoron'i Bala dia tsy maintsy hovonoina.

Andriamanitra no Tompo! Nivavaka tamin'Andriamanitra indray i Elia, ary avy eo dia nitsoka ny rivotra ary nanatona ny rahona mainty. Nilatsaka ny ranonorana voalohany, ary nandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra indray ilay Andriamanitra velona.


Mpandray anjara: Mpitantara, Ahaba, Elia, vahoaka

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 03, 2025, at 05:33 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)