STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 019 (Who is the true God 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

19. Iza no tena Andriamanitra marina 4


Tezitra be tamin'i Elia i Ahaba mpanjaka.

Ahaba: "Io mpaminany io no tokony homen-tsiny noho ny tsy fisian'ny orana nandritra ny fotoana ela."

Tena feno fahatezerana Ahaba. Adinony ve fa nisy izao hain-tany izao satria nahafoy an'Andriamanitra velona izy?

Telo taona izay no lasa. Telo taona tsy nisy na dia pitik'orana akory.

Dia lasa Ahaba nankany amin'i Elia, izay niteny taminy hoe:

Elia: "Ry Ahaba mpanjaka ô, raha irinao ny hilatsahan'ny ranonorana, dia vorio ny olona rehetra sy ny mpisorona rehetra izay mivavaka amin'i Bala; hihaona indray isika eo an-tendrombohitra Karmela. Ho hitantsika eo hoe iza no tena Andriamanitra, i Jehovah sa i Bala?"

Nanaiky hanao araka izay nolazain'i Elia taminy i Ahaba.

Ary nony maraina, dia niakatra ho any an-tampon'ny tendrombohitra ny olona. Inona no hitranga? Ary Elia niantso ny vahoaka hoe:

Elia: "Mandra-pahoviana no hisalasala eo amin'ny roa tonta ianareo? Manapaha hevitra anio hoe iza no tianareo hotompoina: Andriamanitra Tompo sa Bala."

Nangina ny vahoaka. Nijery an'i Elia nanorina alitara izy ireo sady nametraka biby natao sorona teo amboniny. Nanao toy izany ihany koa ny mpisoron'i Bala.

Elia: "Andraso aloha! Aza mampirehitra afo! Samia mivavaka amin'ny Andriamaniny. Ary izay Andriamanitra mampidina afo avy any an-danitra no Andriamanitra marina."

Niaraka tamin'izay dia nangataka nandritra ny ora maro ny mpianatr'i Bala saingy tsy nahazo valiny avy any an-danitra. Nihomehy azy ireo i Elia:

Elia: "Ha. Mila miantso mafimafy kokoa ianareo. Mety matory angamba ny andriamanitrareo, na any am-pialana sasatra!"

Nandraraka rano teo amin'ny alitarany sy teo ambonin'ny hazo mihitsy aza i Elia. Nisy fahanginana lehibe tamin'izany fotoana izany. Tsy mirehitra ny hazo rehefa mando, sa tsy izany?

Tamin'ny feo mahery sy tamin'ny fony manontolo no nivavahan'i Elia hoe:

Elia: "Andriamanitra Tompo ô, asehoy amin'ny vahoakanao anio fa Andriamanitry ny Israely Ianao, ary izaho dia mpanomponao."

Oay! Tampoka teo dia nisy afo nilatsaka avy tany an - danitra ka nandevona ny sorona, ny hazo, ny vato, ary na dia ny rano aza! May avokoa ny zava-drehetra. Taitra ny olona, dia niankohoka tamin'ny tany ary niara-nihorakoraka hoe:

Vahoaka: "Andriamanitra no Tompo! Andriamanitra no Tompo!"

Resy lahatra avy hatrany ny olona; ireo mpisoron'i Bala dia tsy maintsy hovonoina.

Andriamanitra no Tompo! Nivavaka tamin'Andriamanitra indray i Elia, ary avy eo dia nitsoka ny rivotra ary nanatona ny rahona mainty. Nilatsaka ny ranonorana voalohany, ary nandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra indray ilay Andriamanitra velona.


Mpandray anjara: Mpitantara, Ahaba, Elia, vahoaka

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 03, 2025, at 05:33 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)