Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 121 (Tracks in the snow 5)
121. Ireo marika tao amin'ny ranomandry 5
Namaky boky i Annette, nefa tsy afaka nifantoka intsony izy.
Annette: "Bebe a, hatory aho. Tafandria mandry."
Ny marina anefa dia tsy niditra tao amin'ny efitranony akory izy fa nivoaka ary niditra tao anaty ranomandry lalina. Efa lavitry ny tranony izy no nisolifatra ary folaka ny tongony ka tsy afa-nandeha intsony.
Annette (mitomany): "Inona no tokony ataoko izao? Hangatsiaka eto aho vao hisy hahita ahy."
Nipetraka tao anaty ranomandry izy ary nitomany. Namirapiratra teny amin'ny lanitra ny kintana. Nitraka i Annette. Mbola afaka nanampy azy ve Andriamanitra izao, na dia efa nanao ratsy fanahy be tamin'i Lukas aza izy?
Avy eo izy dia nandre "ski" nisosa.
Annette: "Ampio e! Vonjeo e! Lukas, ianao ve izany? Miangavy anao, mba ampio aho. Nioritra ny kitrotro."
Lukas: "Handeha haka ny sarety aho. Indro, raiso ny palitao mandra-piveriko."
Rehefa irery teo izy, dia nivavaka tamin'ny fony manontolo.
Annette: "Jesoa Tompo ô, tezitra mafy aho ary tena mila anao. Miangavy Anao aho, avelao ny fahotako rehetra. Maniry ny ho tonga zanakao aho, tsy hoe satria marary aho amin'izao. Amena."
Tonga i Lukas nitondra sarety sy firakotra maro.
Annette: "Lukas, misy zavatra tokony holazaiko aminao. Izaho no nanimba ny sary sokitra nataonao. Jesoa dia namela heloka ahy, miangavy anao aho, mba mamelà ahy. Tsy mankahala anao intsony aho."
Lukas: "Niahiahy mihitsy aho hoe ianao no nahavita an'iny. Misaotra anao nilaza izany tamiko. Afaka adinonao izany, tsy maninona. Mamela anao aho."
Rahefa tonga tao an-trano i Annette, i Lukas kosa tao amin'ny trano mifanila taminy nivavaka.
Lukas: "Jesoa Tompo ô, mba omeo hevitra aho mba hanaporofoana an'i Annette fa tsy sitrako ny loza nahazo an'i Danny."
Dia nahatsiaro ilay dokotera tao an-tanàna izy. Afaka nanasitrana ny tongotr'i Danny ve izy? Tamin'ny misasak'alina sy tao anatin'ny tafio-drivotry ny oram-panala, i Lukas dia nanao ski ho any an-tanàna. Reraka izy kanefa tonga soa aman-tsara, na dia tena nampidi-doza aza izany. Saingy mendrika izany ny zavatra nataony. Vonona hanampy azy ilay dokotera.
Tsy maintsy nijanona ela tao amin'ny hôpitaly i Danny, kanefa rehefa nody izy, dia tena nahafaly azy izany. Afaka nandeha indray izy! Ho fisaorana dia nasaina ho avy i Lukas. Namirapiratra ny tarehiny rehefa nahita an'i Danny nandeha tsy nisy tehina.
Dokotera: "Danny, tsy maintsy misaotra an'i Lukas ianao. Nanao vivery ny ainy izy rehefa tonga nijery ahy."
Lukas: "Tsy izaho irery no nanao an'izany. Jesoa no nanome ahy ilay hevitra, ary Izy no nanampy ahy hanatanteraka izany."
Ary ilay namany antitra tany an-tendrombohitra no nandoa ny fikarakarana rehetra an'i Danny. Nijanona ho tsiambaratelon'i Lukas anefa izany.
Mpandray anjara: Mpitantara, Annette, Lukas, dokotera
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina