Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 120 (The newcomer 4)
120. Ilay vahiny vao tonga 4
Tohina i Lukas. Tapaka tamin'ny tany ny sary sokitra tsara indrindra nataony. Tsy afaka nahazo loka mihitsy izy izao. Te hanaporofo amin'ny hafa i Lukas fa mahavita zavatra tsara izy. Fa izao dia rava ny asany.
Niahiahy an'i Annette i Lukas. Tsy afaka nanaporofo izany anefa izy.
Tato ho ato, dia nihanika matetika kokoa teny amin'ireo tendrombohitra soisa izay nisy ny tanindrazany izy. Matetika izy no nipetraka irery teo ambony foto-kazo ary nanao sokitra.
Lehilahy: "Tena mpanao sary sokitra mahay ianao, anaka."
Gaga i Lukas ka nijery ny manodidina azy. Mety ho ilay lehilahy antitra nipetra-drery ao anaty trano bongo izay. Ny olona rehetra teo amin'ny tarehy dia nilaza fa lehilahy manana zava-miafina izy. Saingy ny fijeriny sariaka dia nahatonga ny fahatokisan'i Lukas azy.
Lehilahy: "Andao hiaraka amiko, hasehoko anao ny sary sokitrako."
(feon'ny varavarana midridroka)
Lukas: "Tsara! Ianao ve no nanao ireo sarivongana rehetra ireo?"
Lehilahy: "Indray andro any dia ho afaka hanao sokitra toy izany ianao. Angamba ho an'ny namana."
Lukas: "Tsy manana namana aho."
Lehilahy: "Hay, tena irery tanteraka ianao. Te hilaza amiko ny olanao ve ianao?"
Lukas: "Mandringa i Danny. Heverin'ny rehetra fa nanosika azy tany anaty hantsana aho. Halan'ny olona rehetra aho. Annette mankahala ahy be be kokoa, ary izaho mankahala azy."
Lehilahy: "Samy nanao zava-dratsy daholo isika teo amin'ny fiainantsika, izaho ihany koa. Nanana trosa be aho vokatry ny fisotroan-toaka sy ny filokana. Voasambotra aho rehefa saiky handeha hangalatra tao amin'ny banky, tena efa ambivitra aho tamin'izany."
Lukas: "Ary tena irery e?"
Lehilahy: "Mbola izany aho hatramin'izao. Fa rehefa tafavoaka ny fonja aho dia nanomboka fiainam-baovao niaraka tamin'i Jesoa."
Lukas: "Manana havana ve ianao?"
Lehilahy: "Tsy velona intsony ny vadiko ary ny zanako roa lahy dia mihevitra fa efa maty ihany koa aho, ny iray mpandraharaha ary ny iray mpandidy malaza izay nanampy olona maro ho afaka handeha tongotra indray. Ao amin'ny hotely ao an-tanàna ao izy izao."
Nanomboka nieritreritra i Lukas. Azonao sary an-tsaina ve izay noeritreretiny? Nametraka tamim-pitiavana ny tanany teo an-tsorok'ilay zazalahy ilay anti-panahy.
Lehilahy: "Lucas, efa nambaranao tamiko ny ahiahinao. Tsy te hiresaka amin'i Jesoa Tompo ihany koa momba ny fankahalanao ve ianao sady mangataka Azy handamina ny zava-drehetra eo amin'ny fiainanao?"
Tsy menatra i Lukas rehefa nirotsaka teo amin'ny tarehiny ny ranomasony. Nangataka tamin'i Jesoa Tompo izy mba hamela azy. Voadio tamin'ny ota rehetra ny fony.
Tsotra kely izany. Tsy ho an'i Lukas ihany, fa ho anao koa.
Ary Annette? Hahafantatra bebe kokoa momba azy ianao ao amin'ny tantara manaraka.
Mpandray anjara: Mpitantara, Lukas, lehilahy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina