Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 074 (Beating the innocent 2)
74. Voadaroka ny tsy manan-tsiny iray 2
Tena niavaka mihitsy ilay mpampianatra vaovao. Na i Jim ilay miavonavona aza tena gaga amin'ny fomba ampiasainy. Nivavaka indray ilay mpampianatra hany ka gaga indray ireto mpianatra.
Mpampianatra: "Raha tiantsika ny ho tonga amin'ny fifankahazoana tsara dia mila mametraka fitsipika vaovao ato amin'ny sekoly isika, tiako hajainareo sy hekenareo izany."
Nisento lalina i Jim. Tsy mbola tranga toy izao niseho teo aloha.
Tovovavy tao an-dakilasy: "Tsy mahazo mifangala-tahaka."
Mpampianatra: "Tsara izany. Saingy ny fitsipika dia tsy misy ilàna azy raha tsy arahana sazy rehefa misy tsy fanajana azy."
Jim: "Kapoka telo ho an'izay mangala-tahaka."
Ayyy! Tamin'izany fotoana izany dia kapohana amin'ny hazo ny mpianatra.
Nanoratra ireo fitsipika isan-karazany teny amin'ny solaitra be ny mpampianatra. Nilamina tsara izany nandritra ny herinandro maromaro. Indray maraina anefa, Tonga tao an-dakilasy ny mpampianatra, tena feno nalahelo.
Mpampianatra: "Akatony aloha ny bokinareo. Manana vaovao ratsy aho. Nisy iray taminareo nandika ny fitsipiky ny sekoly ka nangalatra ny mofon'i Jim. Hiaky ny fahadisoany ve ilay nanao tsy nety?"
Samy mihazona ny fofonainy ny rehetra. Tom kely, ilay mipetraka eo amin'ny laharana voalohany no niboredika hoe:
Tom: "Izaho... Izaho no nanao izany, izaho... Tena noana loatra aho dia nalaiko ilay izy, tena miala tsiny fa diso."
Tena mahantra be ny ray aman-drenin'i Tom hany ka matetika tsy manana sakafo izy ireo. Tsy misy te hanasazy azy na dia iray aza. Tsy maintsy hentitra anefa ny mpampianatra.
Mpampianatra: "Nandika ny fitsipika ianao: ny mpanao meloka dia tsy maintsy voasazy, raha tsy izany tsy misy olona hanaja izany intsony. Tom, manatona ety ianao. Kapoka folo no natao ho an'ny halatra."
Nandray ny hazo ny mpampianatra.
Jim: "Aoka aloha! Ahy ilay mofo, mamela ny helony aho."
Mpampianatra: "Jim, mahafinaritra izany ataonao izanyt, saingy tsy maintsy misy sazy mihatra."
Jim: "Kapohy eo amin'ny toerany àry aho, fa aza manisy ratsy an'i Tom."
Mpampianatra: "Eny àry. Ny fitsipika dia milaza hoe kapoka folo saingy tsy milaza hoe ho an'iza."
Tamin'ny alalan'izay ny iray kilasy no nahafantatra fa hoe misy olona tsy manan-tsiny izay mandray ny sazy tokony nampiharina tamin'ny mpangalatra.
Io no niantombohan'ny fifankatiavana teo amin'i Jim sy i Tom.
Mihaino tsara izay nambaran'ny mpampiantra momba an'i Jesoa ny rehetra. Izy ilay nandray ho an'ny tenany ny sazin'ny tsirairay eto amin'izao tontolo izao.
Mpampianatra: "Ny zoma masina no mampahatsiaro antsika fa Jesoa dia tsy nanan-tsiny ary Izy no voasazy teo amin'ny toerantsika. Nandika ny lalanan'Andriamanitra isika. Noho izany antony izany, Jesoa dia nanaiky ny tenany tamin-kitsim-po ho saziana. Ny zoma masina dia mampahatsiahy antsika fa tsy meloka Jesoa ilay voasazy teo amin'ny toerantsika. Samy efa nandika ny lalan'Andriamanitra isika. Noho izany no antony no nahatonga an'i Jesoa nanaiky an-tsitrapo ho voasazy. Nandray ny fanamelohana ho faty Izy tamin'ilay fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana. Izay rehetra mino Azy dia afaka sady mandray ny fiainana mandrakizay. Ny fankalazana ataontsika rehefa paska no antoka fa nitsangana tamin'ny maty Jesoa sady velona indray."
Mpandray anjara: Mpitantara, mpampianatra, vehivavy ao an-dakilasy, Jim, Tom
© Zon'ny mpamorona: CEF Allemaina