Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 170 (Halloween – without me 2)
170. Halloween - tsy misy ahy 2
Jane: "Nihevitra aho fa fety mahafinaritra ny Halloween ary mahafinaritra fotsiny ny mampatahotra olona. Saingy rehefa tsapako fa fetin'ny maty ilay izy, dia nilavo lefona aho."
Tsy i Jane irery no tsy mandray anjara amin'ny Halloween intsony.
Karl: "Tsy mila pizza Frankenstein na zava-pisotro matoatoa aho. Lasopy ràn'ny hala, beurk. Marary ahy izany."
Ankizivavy: "Tany amin'ny taranja anglisy, tsy niresaka afatsy Halloween izahay. Nilaza tamin'ny mpampianatra ny raiko fa misy ambadika fanompoan-tsampy io fety io. Midika izany fa misy hery tsy hita maso. Avy eo aho dia navelany handao ny lakilasy."
Ary nahoana Ralph no tsy te hankalaza Halloween?
Ralph: "Mino an'Andriamanitra aho ary aleoko manao izay lazainy."
Vakio ireto andinin-tsoratra Masitra ao amin'ny Deoteronomia 18, andininy faha-9 ireto:
Ralph: "Aza mianatra maka tahaka ny fomba mahatsiravina fanaon'ireo firenena monina ao!"
Andriamanitra dia fitiavana! Mampitandrina antsika izy satria tia antsika. Tsara ny didiny. Na iza na iza mihaino Azy dia hahay hahalala ny tsara na ny ratsy.
Betty: "Tsy fantatro fa ny devoly no tao ambadiky ny Halloween. Fa namaky momba izany tamin'ny trakta iray aho. Nanaitra ahy tanteraka izany. Nampitandrina ny rehetra aho izao ary namaky mafy ilay trakta tao am-pianarana. Ny mpampianatra no nanome alalana ahy hanao izany. Mino aho fa tsy izaho irery no efa tonga saina momba an'izany. Amin'izao aho hiteny ihany koa hoe: Hallowen tsy misy ahy. Maniry aho fa tsy ho ela dia mba hisy maro hafa ihany koa hiteny toy izany. Koa raha fantatro taloha fa fetin'ny devoly ny Halloween dia tsy ho nandray anjara tamin'izany mihitsy aho."
Angamba tsy nahafantatra izany ihany koa ianao ary nandray anjara tamin'izany. Manenina ve ianao? Aza matahotra. Tsy voatery hampalahelo anao izany satria Jesoa dia miaro anao ary tia anao mandrakizay. Raha matoky Azy ianao, dia hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara Izy. Afaka manolotra ny zavatra rehetra eo Aminy amin'ny alalan'ny vavaka ianao. Ohatra, azonao atao ny milaza hoe:
Zazalahy: "Jesoa Tompo ô, misaotra anao aho noho ny fitiavanao ahy. Mamelà ahy ianao raha nandray fanapahan-kevitra ratsy tamin'ity fety Halloween ity aho. Fantatro fa tianao ny tsara indrindra ho ahy, koa te hiaina ho Anao aho ary hamaky ny teninao, ny Baiboly. Misaotra fa maty noho ny fahotako ianao. Amena."
Mamaly avy hatrany ny karazana tahaka vavaka izany i Jesoa. Mamela heloka anao Izy satria tiany inao. Ary raha ampidirinao eo amin'ny fiainanao Izy, dia homba anao mandrakariva izy. Te hiaro anao Izy.
Manaova tahaka an'i Betty: Lazao amin'ny hafa ny ao ambadiky ny Halloween. Angamba hino an'i Jesoa izy ireo ary hilaza koa hoe: Halloween, tsy misy ahy!
Mpandray anjara: Mpitantara, Jane, Karl, ankizivavy, Ralph, Betty, zazalahy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina