STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 169 (Halloween – without me 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

169. Halloween - tsy misy ahy 1


Nanindry ny orony tamin'ny varavarankelin'ny fivarotana iray i Eve sy Howard. Ny voatavo tao ambadiky ny vera dia nampiseho tarehy ratsy mahatsiravina.

Eva: "Tsy maintsy manoratra zavatra momba ny Halloween aho. Ooh, hitanao ve io karandoha io?"

Howard (toa mahafinaritra): "Fa tsy tena izy!"

Niorina ny hoditr'i Eva.

Howard: "Ho tonga amin'ny fety Halloween ve ianao?"

Eva: "Tsy fantatro. Angamba. Fa izao aloha aho tsy maintsy mody."

Ny trano fanaova-mofo eo akaikin'ny varavarana dia nanao dokam-barotra ny mofomamin'ny Halloween. Mampidi-bola ity hetsika ity.

(feon'ny lakolosy)

Reny: "Ah! Izay ve ianao vao nody ato an-trano."

Eva: "Noana aho (feon'ny sotro, lovia, vera eo amin'ny vilia). Aiza daholo ny lohan'ireo voatavo teo am-baravarankely?"

Ray: "Mifampatahotra amin'ny fako hafa ao anaty fitoeram-pako ry zareo."

Eva: "Ao anaty fako?"

Reny: "Vakio ity lahatsoratra ity tao amin'ny gazety anio." (feon'ny gazety sokafana)

Rehefa namaky ny dikan'ny Halloween izy dia niraikitra teo amin'ny tendany ilay pizza.

Ny 31 oktobra dia fetin'ny mpamosavy izay mampifaly an'i Satana. Efa mihoatra ny 2000 taona mahery ny tantara. Taom-baovao Celtic izao. Niaina tsy nanana an'Andriamanitra ny Selta ary nino andriamanitra maromaro. Nino izy ireo fa i Samhain ilay andriamanitry ny fahafatesana, ny alin'ny Halloween dia hitady ny maty.

Eva: "Raha izany, fety ho an'ny devoly tokoa ve ny Halloween?"

Halloween no fanafohezan-teny anglisy ho an'ny andro mialohan'ny andron'ny olona masina. Fa ela be talohan'izay, nisy mpanao majika nanapaka "navets", dia nasiany labozia tao anatiny, dia napetrany teo anoloan'ny tranony, ary niantsoantso hatraiza hatraiza izy ireo hoe: "fanatitra sa ozona". Izay rehetra tsy manatitra fanatitra ho an'i Samhain dia voaozona.

Ray: "Androany ny olona manao akanjo misy matoatoa no mba hangataka vatomamy. Mampahatsiahy antsika ny fomban'ny mpanompo sampy izany. Hoy ny Baiboly: "Halaviro ny ratsy". Fetin'ny faharatsiana ny Halloween."

Reny: "Tsy fantatro izany hatrizay. Fa manomboka izao: ny Halloween, tsy misy ahy."

Ray: "Efa novakianao ve ity lahatsoratra momba ity sorona ity?"

Hatsatra i Eva rehefa namaky fa ny olona dia natao sorona ho an'i Satana. Tena mahatsiravina! Mpandainga sy mpamono olona ny devoly. Ny Halloween dia manasongadina izay rehetra tiany.

Ray: "Nilaza Andriamanitra fa tsy tokony handray anjara amin'ny fanaon'ny mpanompo sampy isika. Izao ny lazaiko: ny Halloween, tsy misy ahy."

Ary ianao? Mino an'i Jesoa Kristy ve ianao? Raha izany no izy, dia afaka mahazo ny tena fifaliana ianao nefa tsy voatery miala voly mairaka amin'ny horohoro.

Eva: "Handefa SMS any amin'i Howard aho. Tsy handeha amin'ny fety Halloween aho!"

Ary manantena izany ho anao ihany koa izahay!

Te-hahafantatra bebe kokoa momba ny Halloween ve ianao? Manorata àry aty amiko!


Mpandray anjara: Mpitantara, Eva, Howard, reny, ray

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:40 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)