STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 144 (Totally in love 5)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

144. Matim-pitiavana tanteraka 5


Nakaton'i Hudson Taylor tamin'alahelo ny varavarana. Tsy maintsy nandao ny namany tany amin'ny Nosy Tsung Ming izy satria niteny ratsy momba azy teo anatrehan'ny minisitra ny olona mpialona azy. Tsy azony izany.

Tsy nandao azy anefa Andriamanitra. Afaka manova ny ratsy ho tsara mihitsy aza Izy.

Ny tanàna Ningpo no adiresiny vaovao. Niresaka tamim-pifaliana tamin'ny Sinoa momba an'i Jesoa, ilay Mpamonjy izy.

Tena tsara ny zava-drehetra nataon'Andriamanitra. Mbola ho avy anefa ny tsara indrindra! Nisy sekoly misionera teo akaikiny. Nisy vehivavy avy tany Angletera nampianatra tao. Lasa tia an'io mpampianatra falifaly io i Hudson, ary tia azy ihany koa izy. Marie no anarany, ary te hanambady azy i Hudson. Tsy maintsy niaiky zavatra taminy anefa izy mialoha izany.

H.T.: "Marie, misy zavatra tokony holazaiko aminao. Tsy lehilahy mpanankarena aho. Rehefa misy zavatra ilaiko dia manontany an'i Jesoa aho, ary matoky Azy aho fa Izy no hikarakara. Tsy manam-bola be aho, fa hanambady ahy ihany ve ianao?"

Marie: "Eny! Ary hiara-matoky Azy isika. Tsy mila zavatra betsaka isika. Ny tena tsara indrindra ilaintsika dia Jesoa."

Maro ny namana tonga tao amin'ny fampakaram-bady.

Andriamanitra dia manome ny tsara indrindra ho an'ny olona rehetra tia azy. Nampanantena izany izy, ary mitana ny teniny. Izany no nahatonga an'i Hudson sy Marie nanolotra ny ainy ho azy.

Nitsabo ny marary sy nitory ny Teny i Hudson. Nampianatra ankizy sy niresaka momba an'i Jesoa Tompo tamin'ny ankizilahy sy ankizivavy maro i Maria. Nanome hanina ny malahelo izy. Tsy nitsahatra niasa mihitsy i Hudson sy Marie. Faly be izy ireo rehefa nino an'i Jesoa ny Sinoa.

Isaky ny hariva dia naneno ny lakolosy toy ny fanasana ny olona ho any am-piangonana.

Ni dia tena mpanompo sampy. Indray andro izy, nandre hiram-pifaliana izy ary niditra tao. Sambany teo amin'ny fiainany izy no nandre fa i Jesoa no hany lalana tokana mankany amin'Andriamanitra.

Ni: "Atoa Taylor, efa ela aho no nitady ny fahamarinana. Jesoa no fahamarinana, mino Azy aho. Hafiriana no efa nahalalanareo ny fahamarinana tany Angletera?"

H.T.: "Efa ho zato taona."

Ni: "Ahoana? Efa ela be tahaka izany? Nahoana no tsy nisy olona tonga nialoha kokoa teto amintsika hitondra ny fahamarinana eto amin'ny firenentsika?"

Nihodinkodina tao an-tsain'i Hudson io fanontaniana io. Nieritreritra an'ireo Sinoa an-tapitrisany mbola tsy nahalala ny fahamarinana izy, ary vao maika niasa mafy kokoa mandra-paharariny mafy. Tsy maintsy niverina tany Angletera mihitsy àry izy mba hiala sasatra.

Moa ve Andriamanitra afaka manao ny zava-drehetra hiara-miasa hahasoa rehefa marary ny olona iray?

Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka ny valiny. Aza adino ny mihaino!


Mpandray anjara: Mpitantara, Hudson Taylor, Marie, Ni

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:41 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)