Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 145 (If I had 1000 lives 6)
145. Raha nanana fiainana 1000 aho 6
Niantsona ny sambo. Tafaverina amin'ny taniny i Hudson Taylor, narary mafy.
Nanahy mafy noho ny aminy ireo dokotera nitsabo azy tany Angletera.
Dokotera: "Atoa Taylor, tsy ho afaka hiverina any Chine intsony ianao."
H.T.: "Raha te hanasitrana ahy Andriamanitra, dia hanao izany Izy."
Sarintany lehibe momba an'i Chine no nihantona tao amin'ny efitranony. Nijery azy i Hudson dia nitomany, satria nieritreritra an'ireo Sinoa an-tapitrisany izay mbola tsy nandre momba an'i Jesoa mihitsy izy.
Matetika izy no nilaza ity tantara ity:
H.T.: "Nandeha sambo aho tao amin'ny Sung Kian Fu. Tao anaty sambo i Pierre. Niresaka momba an'i Jesoa izahay. Avy eo dia niverina tany amin'ny efitranoko aho. Tampoka teo dia naheno olona nikiakiaka aho, avy eo ny feon'ny olona mitsoraka ao anaty rano. Nitsambikina tao anaty rano aho, nefa tsy nahita azy.
Niantso "vonjeo" tamin'ireo mpanjono aho. Fa namaly izy ireo hoe "tsy manam-potoana izahay, manjono izahay. Omeo vola izahay!" Nampanantena azy ireo aho fa handoa vola. Naharitra ela izy ireo vao tonga nanampy ahy. Nisintona an'i Pierre avy tao anaty rano izy ireo. Niezaka ny namelona azy aho saingy efa tara loatra. Maty i Pierre. Mety ho voavonjy ihany izy raha toa mba niraharaha ny zava-nisy ny mpanjono."
Tena mahatsiravina!
Tian'i Hudson hovonjena ny olona. Indrindra fa tamin'ny fahotany. Narary anefa izy ankehitriny.
H.T.: "Jesoa Tompo ô, mba maniraha misionera dimy ho any Chine, mba hinoan'ny olona maro Anao ka ho voavonjy izy ireo."
Nivaly ny vavaka nataony. Inona anefa no vitan'ny misionera dimy ho an'ny Sinoa an-tapitrisany? Nivavaka i Hudson Taylor ho an'ny 24, ho an'ny 100, ho an'ny 1000! Ary namaly ny vavaka nataony Andriamanitra.
Izao no nianarako tamin'i Hudson Taylor: lazao amin'i Jesoa mazava izay ilainao ary minoa fa eo Izy ho anao. Jesoa tia manome. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy.
Nahazo fahasalamana tsara indray i Hudson Taylor ary nandeha tany Chine niaraka tamin'ireo misionera vaovao.
Vehivavy 1: "Adala daholo ianareo, mijanòna eto!"
Vehivavy 2: "Eto ianareo afaka mahazo vola be. Any Chine ianareo dia ho noana satria tsy ho ela dia hohadinoina ianareo."
H.T.: "Hadinoina ve? Andriamanitra tsy manadino ny zanany izany!"
Tsy nanadino azy mihitsy Andriamanitra.
H.T.: "Raha manana aina arivo aho, dia te ho misionera in-1000 ihany koa."
Te ho misionera ihany koa ve ianao? Zavatra iray no azo antoka: tsy ho lasa milionera ianao, ary ho sarotra izany matetika. Kanefa: tsy misy tsara noho ny manao ny sitrapon'i Jesoa sy ny matoky Azy amin'ny toe-javatra rehetra.
Mpandray anjara: Mpitantara, Hudson Taylor, dokotera, vehivavy 1, vehivavy 2
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina