Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 089 (Ringu at the bull race 1)
89. Ringo sy ny fihazakazahan'ny omby 1
Tao amin'ny tànana kely iray tany Inde, mamatotra ny sarety amin'ny omby i Ringo. Dia niakatra tao anatiny ny ray aman-dreniny.
Ringo: "Battou, miakara amin'izay, hiainga isika."
Battou: "Ooee, handeha any an-tsena isika!"
Ringo: "Avy eo dia hankalaza ny fety lehibe ho an'ny omby isika!"
Battou: "Ringo, maika be aho hahita anao handresy amin'ny hazakazaky ny omby!"
Nitebiteby be i Ringo rehefa hipetraka teo aloha hitarika ny omby. Mandalo ao anaty ala ny lalàna. Misy olona milaza hoe misy tigra mipetraka ao ary koa hiafenan'ny fanahy ratsy ao.
Battou: "Ento haingana, Ringo a! Mandehana haingana kokoa."
Ringo: "Manontany tena aho hoe mety hahita vahiny ve isika? Fantatrao, ilay lehilahy vaventy fotsy hoditra iny? Ilay olona miresaka foana momba Ilay Andriamanitra tsara."
Feno tabataba be sy ao anatin'ny fihetsiketsehena maro ao an-tanàn-dehibe. Rehefa tonga izy ireo dia i Ringo no ntsambikina voalohany avy ao anaty sarety.
Ringo: "Aiy! Ny tongotro!"
Nisy tsilo lava be tafiditra sy niraikitra teo amin'ny vodi-tongony. Nihidy vazana mihitsy izy sady nanala ilay tsilo. Nandeha taorian'ireo ray aman-dreniny tahaka ny olona mandringa izy. Nandritra ny fotoana nanaovan'ny rainy tsena dia nangalatra niafina akondro iray izy. Fantany tsara anefa fa tsy tsara izany zavatra nataony izany, fa hoy foana izy hoe ny hafa ihany koa dia mangalatra.
Teny lavitra teny dia naheno mozika izy ireo. Te hihazakazaka any amin'ilay toerana misy ilay mozika i Ringo, kinanjo nidona tamin'ny lehilahy iray izy ka nampianjera ireo taratasy izay notazaniny teny an-tànana.
Ilay misionera: "Andraso iray minitra, ry namako, mba te hanome anao ity taratasy ity aho. Taratasy avy amin'Andriamanitra. Afaka vakianao ao anatiny ireo zavatra mikasika ny fitiavany anao."
Noraisin'i Ringo ilay taratasy dia nataony tao anaty hamamany.
Nitsahatra ilay mozika ary nitsangana ilay indiana nitendry ilay zavamaneno.
Pandou: "Pandou no anarako. Nanana fahazarana manao fanatitra amin'ny fanahy ratsy aho, dia tiako loatra ihany koa ny omby. Kanefa ankehitriny fantatro Ilay Andriamanitra velona ka tompoiko. Izy irery ihany no Andriamanitra marina."
Nieritreritra naharitra izany teny izany i Ringo. Ny ampitso maraina, nanaitra azy ireo, ireo amponga mitabataba.
Mijery ilay tongny mivonto be tamin'ny tahotra izy. Niantso mpitsabo mpanao ody ny rainy. Nangovitra i Ringo rehefa nanantona izy. Nasiany vovoka dipoavatra tao anatin'ilay fery ary notsofiny tao anaty sofiny. Nikiakia i Ringo.
Ringo: "Ay! Ay!"
Ahoana moa izany no hahatonga ny dipoavatra sy ilay fofon'aina hanampy amin'ny fanasitranana? Nanomboka ny hazakazaka. Nanaintana mafy i Ringo. Kanefa noraisiny tao amin'ny tànany ny tady ary niezaka nitsiky izy.
(feon'ny poa-basy)
Nanomboka nihazakazaka ny omby. Mamporisika azy ireo ny vahoaka. Mbola mitomany i Ringo noho ny fanaintainany sady mihazakazaka aorian'ny sarety. Tafitohina izy dia nanao ahoana...?
Ny tantara manaraka no manambara aminao izay nitranga taorian'io.
Mpandray anjara: Mpitantara, Ringo, Battou, misionera, Pandou
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina