STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 050 (Attention danger of an avalanche) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
50. Tandremo, mety hisy riaka beTany an-tendrombohitra Soisa, nisy zazalahy iray niandry ny ondriny. Tiany ny voninkazo sy ny vongan-dranomandry manjelanjelatra. Nisy mpandeha an-tongotra iray tonga teo amin'ilay lalana kely teo amin'ilay tendrombohitra. Mpandeha tongotra: "Salama, iza no anaranao?" Henri: "Salama, Henri no anarako." Mpandeha tongotra: "Ianao irery ve ety?" Henri: "Eny, ao anaty fotoana fialan-tsasatra aho dia mikarakara ny ondrin'ny raiko." Mpandeha tongotra: "Mpiandry ondry izany ianao? Fantatrao ve Ilay Mpiandry Tsara?" Henri: "Tsia, iza moa izy?" Mpandeha tongotra: "Jesoa Tompo. Voalaza ao amin'ny Baiboly fa toy ny ondry mpikomy ny olona, ary manaraka izay lalana tiany haleha. Mitady antsika ny Mpiandry Tsara, te-hitarika antsika sy hikarakara antsika Izy ary hitondra antsika any an-danitra indray andro any." Henri: "Hitondra ahy any ve izy rehefa maty aho?" Mpandeha tongotra: "Eny. Ilaina fotsiny ianao mangataka Azy ho mpiandry anao." Henri: "Tiako hatao amin'izao fotoana izao izany." Nanao vavaka tsotra nipololotra avy tao amin'ny fony i Henri. Te ho anisany an'i Jesoa izy. Talohan'ny nandehanan'ilay mpandeha tongotra dia hoy izy tamin'i Henri: Mpandeha tongotra: "Efa an'Ilay Mpiandry ondry tsara ianao izao. Fa hatramin'izao dia afaka miteny ianao hoe: "Ny Tompo no mpiandry ahy." Afaka mampiasa ny rantsan-tananao ianao mba hilazana an'io andinin-tsoratra masina io." Naverin'i Henri ilay andinin-tsoratra masina ary nihazona rantsan-tanana iray teo amin'ny tanany havia izy ho an'ny teny tsirairay. Notereny mafy ny rantsan-tanany fahefatra ary hoy izy: Henri: "Ny Tompo no mpiandry ahy." Faly be izy nitantara izany tamin'ny ray aman-dreniny. Nifarana ny fialan-tsasatra ary tsy maintsy niverina tany an-tsekoly i Henri. Tonga ny ririnina. Mety mampidi-doza rehefa ririnina any amin'ny tendrombohitra Soisa. Indraindray dia misy loza vokatry ny riaka. Indray andro, nandeha an-tongotra namakivaky ny ranomandry i Henri. Tampoka teo dia nandre feon'ny kotroka izy. Te-hihazakazaka izy, saingy efa tara loatra izany. Nanarona azy ny riaka ary nandevina azy tao ambanin'ny ranomandry be. Rehefa hariva ny andro, dia nanomboka nanahy ny ray aman-dreniny. Nitady azy nandritra ny ora maro izy ireo. Rehefa hitan'izy ireo izy tamin'ny farany dia tsikaritr'izy ireo fa nihazona mafy ny rantsan-tanany fahefatra tamin'ny tanany havia izy. Rehefa ho faty i Henri, dia tsaroany ilay Mpiandry tsara. Tena nalahelo mafy ny ray aman-dreniny. Saingy nampahery azy ireo ny nahafantatra fa indray andro any dia hahita an'i Henri any an-danitra izy ireo, rehefa izy ireo ihany koa no hiaraka amin'ilay Mpiandry Tsara mandrakizay. Afaka miteny ihany koa ve ianao hoe: Ny Tompo no mpiandry ahy? Mpandray anjara: Mpitantara, mpandeha tongotra, Henri © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |