STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 049 (The Good Shepherd) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
49. Ilay mpiandry ondry tsaraFotoana vitsy lasa izay dia nitondra fiara tamin'ny lalana migodana aho. Nisy ala tsara tarehy manodidina, tanimboaloboka sy saha, ary avy eo dia nahita andian'ondry aho. Fantatrao ve fa ny feon'ny mpiandry azy ihany no arahin'ny ondry ary tsy te hihaino feo hafa ankoatr'izay izy ireo? Fantatrao ve fa mora reraka ny ondry ary tsy afaka miaro tena? Fantatrao ve fa tsy mahay mahafantatra ny toerana misy azy ny ondry? Tsy afaka hahita ny lalany mankany an- trano tahaka ny alika na ny soavaly izy ireo. Ny ondry dia tena mila mpiandry mba hitarika sy hiaro ary hikarakara azy ireo. Mila izany koa isika. Isaky ny mahita ondry aho, dia mahatsiaro ny zavatra nolazain'i Jesoa Tompo. Jesoa: "Izaho no Mpiandry Tsara. Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izy ireo manaraka Ahy." Izy no mpiandry tsara, ary isika no ondriny. (Feon'ny ondry) Jesoa: "Nanana ondry 100 ny mpiandry ondry iray. Nentiny ho any amin'ny ahi-maitso sy ho any amin'ny loharano mamelombelona izy ireo. Rehefa nipoitra ny bibidia, dia hitany avy hatrany ilay loza ary niaro ilay andian'ondry izy. Tsara fiarovana ny ondry rehefa eo akaikin'ilay mpiandry ondry. Nentin'ilay mpiandry ondry nody izy ireo ny hariva, ary nisainy mba ahitany hoe ao daholo ve izy rehetra: 97, 98, 99... 99 fotsiny! Tsy ampy iray ny ondry! Nandeha tamin'ny lalany izy dia very. Lany hery sady reraka izy, dia niantso vonjy! Tena zava-dehibe taminy io ondry iray io. Nitady azy izy ary nahita azy. Ary tiany izy. Jesoa no Mpiandry tsara. Fantatrao ve ny feony? Te hanaraka azy ve ianao? Azo antoka ny fiarovana anao miaraka amin'i Jesoa. Omeny antsika izay rehetra ilaintsika. Miaraka amintsika foana izy ary tsy mamela antsika ho irery rehefa misy ny olana. Na izany aza, maro ny olona mihataka lavitra Azy ary mandeha amin'ny lalana tiany. Azonao an-tsaina ve hoe nahoana izy ireo no nanao izany? Mpandray anjara: Mpitantara, Jesoa © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |