Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 025 (The saddest story)
25. Ilay tantara mampalahelo indrindra
Fantatrao ve hoe iza no mbola tsy nanana fitsingerenan'ny andro nahaterahana?
Adama sy Eva! Tsy nanana reny niteraka izy ireo, fa Andriamanitra no namorona azy. Saingy faly foana izay ireo toy ny hoe tsingerintaona nahaterahan'izy ireo isan'andro. Niara-niaina tamin'Andriamanitra izy ireo. Niresaka taminy izy ireo ary afaka nandre ny feony. Tsy mbola nisy ady na aretina na ahiahy tamin'izany. Nomen'Andriamanitra zavatra maro be izy ireo, ka hoy Izy taminy:
Andriamanitra: "Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonareo ihinanana ihany, afa-tsy ny hazo eo afovoany. Aza mikasika io hazo io, fandrao maty ianareo."
Azy ireo avokoa ny zava-drehetra, afa-tsy io zavatra manokana io. Manome voninahitra an'Andriamanitra i Adama sy Eva, noho izany mankatà Azy an-tsitrapo izy ireo.
Nipoitra anefa ilay olona iray izay tsy tia antsika hanana fifandraisana tsara amin'Andriamanitra. Devoly izany. Anjely niavonavona loatra izy taloha ary naniry ny ho tahaka an'Andriamanitra, ka dia noroahina avy tany an-danitra.
Ilay devoly: "Tena niteny taminareo tokoa ve Andriamanitra fa tsy tokony hihinana amin'io hazo io ianareo?"
Eva: "Afaka mihinana amin'ny hazo rehetra izahay, afa-tsy ity iray ity, raha tsy izany dia ho faty izahay."
Ilay devoly: "Tsy ho faty ianareo."
Ny fahavalon'Andriamanitra dia mpandainga hatry ny ela. Mamadika ny Tenin'Andriamanitra izy io ary mamafy fisalasalana. Fantatr'i Eva tsara tao am-po ny didin'Andriamanitra, saingy lasa nihaino ny devoly ilay mpaka fanahy izy tamin'ny farany. Tiany ilay voankazo teo amin'ilay hazo rehefa nijery azy io izy, nakany izany, nihinany ary nomeny i Adama, izay nijoro teo anilany.
Fahotana ny tsy fankatoavana, ary misy vokany ratsy ny fahotana. Tsy mitovy amin'ny teo aloha intsony ny zavatra rehetra.
Andriamanitra: "Ry Adama, aiza ianao?"
Rehefa niantso azy Andriamanitra, dia raiki-tahotra izy ireo, ka dia niafina an'Andriamanitra. Nifanome tsiny ny andaniny sy ny ankilany. Tsy mitondra fifaliana ho antsika ny ota, marina Andriamanitra ary tsy maintsy nanasazy azy ireo. Fahafatesana no tambin'ny ota; midika izany fa tafasaraka amin'Andriamanitra mandrakizay isika. Tsy maintsy niala tao amin'ny Paradisa àry i Adama sy Eva.
Ny loza ratsy indrindra no nitranga: tafiditra teto amin'izao tontolo izao ny fahotana. Nanomboka tamin'izay fotoana izay dia mpanota avokoa ny olona rehetra. Saingy Andriamanitra dia fitiavana, izany no nampanantenainy antsika Mpamonjy iray izay hitondra ny fahotantsika ho an'ny tenany ary hanome antsika fiaingana vaovao.
Ao amin'ny tantara manaraka dia handre momba io Mpamonjy io ianao.
Mpandray anjara: Mpitantara, Feon'Andriamanitra, devoly, Eva
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina