Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 003 (Pig slop or banquet dining)
3. Sakafon-kisoa sa fety
Nampalahelo fa nijanona teo am-baravarankely ilay raim-pianakaviana. Andro vitsy lasa izay, nandao azy ny zanany faralahy. Lasa lavitra izy rehefa avy naka ny vola anjara lovany ary lasa tsy niherika akory!
Tia azy ny rainy. Aiza ny zanany amin'izao fotoana izao? Manao ahoana izy any?
Hatramin'izao, salama tsara izy. Nanana vola be izy, nanana namana maro ihany koa. Mifindra toerana iray mankany amin'ny hafa miala voly izy; manao fety, mihomehy, misotro toaka be, ary manao zavatra izay fantany fa ratsy. Nanaraka izay nitarihan'ny namany fotsiny izy. Tsy ela anefa dia lany ny volany rehetra, ary tsy hita niaraka tamin'izay ihany koa ny namany.
Tena olana be ny tsy fananany asa, nahita asa ihany izy tamin'ny farany tao amin'ny mpamboly iray. Miandry kisoa: asa anisan'ny ratsy indrindra no afaka nataony!
Fanampin'izany, matetika ny kibony no maneno, noana loatra izy ka tena te hihinana ny sakafon'ny kisoa, saingy tsy navela hanao izany izy. Noana ny kibony, ny akanjony rovitra, dia lasa izy nipetraka teo akaikin'ireo kisoa maimbo ary nanomboka nieritreritra.
Tia azy ny rainy. Nahoana re izy no tsy nahatsikaritra izany?
Tampoka teo dia nitsangana izy ka nanapan-kevitra hoe:
Zanaka lahy: "Handeha hody aho ary hilaza amin'ny raiko fa tena miala tsiny aho fa nampalahelo azy tamin'ireny fihetsika ireny!"
Tena te hihavana amin'ny rainy izy.
Ary alaivo sary an-tsaina hoe raha mbola lavitra ny zanany lahy, tena mbola lavitra ny tranony, dia efa nahita azy ho avy ny rainy. Ary satria tia ny zanany izy, dia nihazakazaka hitsena azy!
Alohan'ny nitenenany izay nomaniny, dia namihana azy ny rainy sady nanoroka azy. Tena faly izy dia niantso ny mpanompony ka nanao taminy hoe:
Ray: "Tongava haingana aty! Omeo akanjo ny zanako lahy, ataovy ny kirarony ary miomàna satria hankalaza izany isika. Maty izy, saingy velona indray! Very izy, saingy hita izy izao, ary nody izy!"
Tahaka ny nitiavan'ny ray ny zanany lahy dia tia anao Andriamanitra ary tia ahy izy. Tiany isika hanatona Azy sy hiara-hiaina Aminy. Izany no antony nilazan'i Jesoa izany tantara izany.
Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fomba hanatonana azy ve ianao? Azonao atao ny manoratra amiko raha tianao!
Mpandray anjara: Mpitantara, zanaka, ray
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina