Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 004 (Prayers can cause miracles)
4. Mety manao zava-mahagaga ny vavaka
Feno vovoka ny arabe, mibaliaka ny masoandro teny amin'ny lanitra. Nipetraka teo amoron-dalana indray ilay mpangataka. Isaky ny mandre dian-tongotra izy dia manolo-tanana mangataka.
Bartimeo: "Ampio aho! Mba omeo vola kely aho, azafady!"
Nisy olona sasany niantra an'i Bartimeo, ny hafa kosa tsy niraharaha azy.
Indray andro, voambara fa teny an-dalana daholo ny olona rehetra tao Jeriko.
Bartimeo: "Fa inona no mitranga?"
Lehilahy iray: "Jesoa, Zanak'Andriamanitra, no mandalo amin'izao fotoana izao: Ilay tia ny olona rehetra, manasitrana ny marary, ary mahay manangana ny maty aza."
Feno fanantenana i Bartimeo jamba. Naheno ny antsoantsony ve i Jesoa?
Tamin'ny fony manontolo no niantsoany ilay olona tsy hitany.
Bartimeo: "Jesoa ô, tsy hanampy ahy ve ianao? Mamindrà fo amiko!"
Ary ny sasany tamin'izay nandre Azy dia tezitra ka nibedy ilay jamba.
Lehilahy iray: "Mangina ianao, mialà teto ianao fa raha tsy izany..."
Nahoana anefa no tsy azo atao ny miantso an'i Jesosy e?
Tsy nihaino ny vahoaka i Bartimeo; Fa vao maika izy niantso mafy kokoa!
Bartimeo: "Jesoa ô, ampio aho!"
Mihaino ny olon-drehetra i Jesoa. Mihaino ny vavaka ataonao ihany koa izy.
Hoy ny Baiboly hoe nijanona i Jesoa ary nandidy hoe:
Jesoa: "Ento atỳ amiko ilay jamba."
Bartimeo nitsangana teo anatrehan'ny Zanak'Andriamanitra. Tsy nahita izy, saingy nahatsapa ho tony sy tsy nanana ahiahy teo anatrehan'izany. Nihaino ny feon'i Jesoa izy.
Jesoa: "Ry Bartimeo, inona no tadiavinao amiko? Inona no tianao hataoko aminao?"
Tsy nila nieritreritra ela i Bartimeo. Ny tena nilainy dia ny vavaka nataony:
Bartimeo: "Tompo ô, te hahita indray aho."
Ary rehefa ren'i Jesosy ny faniriany, dia hoy Izy:
Jesoa: "Ahirato ny masonao! Satria mino Ahy ianao, dia hositraniko."
Tamin'izay fotoana izay dia afaka nahita tanteraka i Bartimeo. Ary ny masony nahita Ilay nandre ny vavaka nataony sy namaly ny fitarainany.
Nisaotra an'i Jesoa tamim-pifaliana izy, ary nanomboka tamin'izay dia nanaraka an'i Jesoa tamin'ny fony manontolo.
Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra dia milaza aminao hoe:
"Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; hanafaka anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao."
Mpandray anjara: Mpitantara, Bartimeo, lehilahy, Jesoa
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina