STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 005 (God loves you)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

5. Tia anao Andriamanitra


Tongasoa ianao! Tsara raha mihaino ianao!

Malahelo ve sa faly ianao amin'izao anio izao? Mahatsiaro ho irery sa matahotra? Salama sa marary?

Tsy fantatro hoe manao ahoana ianao, fa tiako ny hilaza zavatra mahafinaritra be aminao: Tia anao Andriamanitra! Tiany ianao amin'ny maha-ianao anao! Tamin'ny namorona ny tany sy ny lanitra Andriamanitra, dia efa nihevitra anao. Nifaly ny aminao Izy mialohan'ny nahaterahanao.

(Asio hira momba ny fitiavan'Andriamanitra izay asaina vakian'ny ankizivavy iray na ankizilahy iray amin'ny feo mafy miaraka amin'ny feon-kira na mozika.)

Hira:
Jesoa tia ny ankizy madinika, ny ankizy rehetra eto amin'izao tontolo izao
Mena sy mavo, mainty sy fotsy,
Samy sarobidy eo imasony!
Jesoa tia ny ankizy kely rehetra eto amin'izao tontolo izao!

Jesoa maty ho an'ny ankizy rehetra, ny ankizy rehetra eto amin'izao tontolo izao!
Mena sy mavo, mainty sy fotsy,
Samy sarobidy eo imasony!
Jesoa maty ho an'ny ankizy eto amin'izao tontolo izao!

Tia ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, ny olon-dehibe sy ny ankizy.

Izay no nahatonga azy nanolotra fanomezana ho an'ny isam-batan'olona.

Mamaky izany isika ao anaty Baiboly:

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, ka hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3. 16)

Lehibe ny fitiavan'Andriamanitra. Nomeny ny zanany lahitokana tety an-tany ho faty noho ny fahotantsika. Nalevina Jesoa, kanefa afaka hateloana dia natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty. Eto dia manasa anao hino an'i Jesoa Kristy Tompo ho Mpamonjinao sy Tomponao.

Feon'Andriamanitra: "Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; Koa izany no nampaheratako famindrampo ho anao." (Jeremia 31. 3)

Tianao ve ny hanaiky ny antson'Andriamanitra? Eny na dia ao anaty fotoana sarotra aza ianao dia omeny fifaliana hany ka tsy misy antony hananana tahotra intsony. Miaraka aminao foana Andriamanitra. Tsy manam- pahataperana ny fitiavany.

Mahalala izany ve ny namanao? Lazao aminy fa Andriamanitra dia tia azy ireo ihany koa.


Mpandray anjara: Mpitantara, ny feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on February 26, 2025, at 11:03 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)