STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 138 (An awful accident 1) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
138. Ilay loza mahatsiravina 1Nisy olana be tao an-tanàna. Sady tsy nihomehy no tsy nihira ihany koa. Natahotra ny rehetra. Mpitaiza mpanampy: "Manantena aho mba ho tapitra tsy ho ela ity ady mahatsiravina ity." Vehivavy: "Handresy ny fahavalo ve i Saoly mpanjaka?" Ireo mpiambina napetraka teo amin'ny mandan'ny tanàna no voalohany nahita ilay mpihazakazaka nanatona azy ireo. Nitondra vaovao avy amin'ireo anoloan'ny ady izy. Hita tamin'ny tarehiny fa vaovao tena mampalahelo no nentiny. Iraka: "Ny fahavalo efa namakivaky ny laharantsika teny aloha. Maty i Saoly mpanjaka sy ny Printsy Jonatana; mandosira, vonjeo ny tenanareo!" Nisahotaka noho ny tahotra ny rehetra ary maro no nandositra niala ny tanàna. Andro faran'izay maizina tokoa izany! Indrindra fa ho an'i Mefiboseta. Na dia vao dimy taona monja aza izy, dia efa fantany daholo izany. Maty ny Printsy Jonatana rainy. Tsy hody hamihina azy intsony ny rainy. Tsy afaka nitondra azy hitifitra zana-tsipìka tamin'ny tsipìkany na hitantara tantara taminy intsony izy. Nitomany i Mefiboseta. Niahiahy ny momba azy ny mpitaiza azy ka nentiny niaraka taminy mialohan'ny nitsoahany nivoaka ny tanàna. Mpitaiza mpanampy: "Avia, ry Mefiboseta, tsy maintsy miala eto isika fa tsy afaka mandany fotoana." Tamin'ny fivoahana haingana tao na-dapa anefa dia nianjera teo an-tanan'ilay mpitaiza mpanampy i Mefiboseta. Mefiboseta: "Aiiii! Ohhh, ny tongotro!" Ratsy loatra ny fianjerany ka tsy afaka nandeha intsony. Saintsaino anie! Noho io loza io dia lasa nalemy ny tongony roa! Io no andro nampalahelo indrindra teo amin'ny fiainany. Maty aloha ny rainy. Manarak'izany, voatery nandositra izy ireo. Dia tonga ny loza. Ary ambonin'izany tsy nanana trano intsony izy. Fotoana fohy taorian'izay, dia tonga tany Lo-Debar ireo mpitsoa-ponenana. Lo-Debar dia midika hoe "tsy misy dikany, tsy misy lanjany". Mety ho an'i Mefiboseta izany, satria nanjary tsinontsinona tampoka ny fiainany. Nihevitra tokoa izy fa tsy misy vidiny intsony. Mahatsiaro ho tsy misy dikany ve ianao indraindray? Tsy ianao no mahay indrindra ao amin'ny kilasinao, tsy afaka manamontsana ny vitan'ny hafa ianao amin'ny fanatanjahantena, izany no mahatonga anao hihevitra fa tsara kokoa sy tiana kokoa noho ianao ny olona rehetra. Azonao an-tsaina ve i Mefiboseta? Niaina toy izany izy nandritra ny taona maro tany Lo-Debar. Ny namany akaiky indrindra ny rainy dia i Davida. Lasa mpanjakan'ny Israely izy. Indray andro izy dia nieritreritra teo am-pamakivakiana ny lapa, dia niresaka tamin'ny mpanompony. Davida: "Ry Ziba, mbola misy velona ihany va amin'ny fianakavian'i Saoly?" Ziba: "Eny, mbola misy zanakalahin'i Jonatana, dia i Mefiboseta ilay mandringa." Davida: "Ary aiza izy?" Ziba: "Any Lo-Debar izy no mipetraka." Inona no hataon'i Davida Mpanjaka? Holazaiko aminao ny tantara manaraka. Mpandray anjara: Mpitantara, mpitaiza mpanampy, vehivavy, iraka, Mefiboseta, Davida, Ziba © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |