STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 139 (The King's invitation 2) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
139. Ny fanasan'ny mpanjaka 2(Feon'ny kalesy sy soavaly) Nandeha teny an-dalambe ny kalesin'ny mpanjaka. Nosintonina ny ridao ary nivoha ny varavarankely. Liana ny olona hijery izay hitranga. Vehivavy: "Iraky ny mpanjaka tonga aty Lo-debar! Tsy mampino!" Mpifanolo-bodirindrina: "Iza no hihaona amin'izy ireo? Mety ho ny ben'ny tanàna angamba?" Gaga izy ireo fa nijanona teo anoloan'ny trano nipetrahan'i Mefiboseta ny kalesin'ny mpanjaka. Te hanasa azy i Davida Mpanjaka. Saika tsy nino an'izany i Mefiboseta. Izy ilay lehilahy mandringa, olona tsy fantam-pihaviana, no nahazo fanasana avy amin'ny mpanjaka! Nahafinaritra mihitsy izany e. Tsy misy tokony hialonana anefa izany. Izaho sy ianao ihany koa dia nandray fanasana tamin'ny mpanjaka lehibe kokoa. Ilay Mpanjaka marina, izay maharitra mandrakizay, no manasa anao ho eo akaikiny. Jesoa, Mpanjakan'ny mpanjaka izany! Manaova toa an'i Mefiboseta, ekeo ilay fanasany, na dia tsy mahatsiaro tena ho sarobidy aza ianao na mihevi-tena ho tsy misy vidiny. Nentina tany amin'ny mpanjaka ilay zazalahy malemy tongotra. Davida: "Ry Mefiboseta, aza matahotra, fa ny hanasoa anao ihany no tiako hatao." Mefiboseta: "Tsy mendrika izany anefa aho." Davida: "Ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly dadabenao, ka hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva ianao, ary ny mpanompoko no hiasa ny tany, ka ho anao ny vokatra rehetra." Nanasa an'i Mefiboseta i Davida Mpanjaka ary nanome azy fanomezana. Jesoa, ilay Mpanjaka mandrakizay, dia manasa anao ary te hanome anao fanomezana. Sarobidy ny fanomezany: famelan-keloka, fifaliana, fiadanana, fiainana mandrakizay... Tsy àry ho voatanisako izy rehetra. Mankanesa any amin'i Jesoa dia ary hotahiny ianao. Tsy nanenina mihitsy i Mefiboseta rehefa nanaiky ny fanasan'ny mpanjaka sy ny fanomezany ary ny hatsaram-panahiny. Ary mbola ho avy ny tsara indrindra. Davida: "Ry Mefiboseta, tiako raha hitoetra miaraka amiko mandrakizay ianao." Toy ny tamin'i Jesoa, ilay mpanjaka tsy hita maso. Tsy ilaina ho isan'ny vahininy amin'ny Alahady fotsiny ianao, fa mba hanatona Azy isan'andro ihany koa. Mba tianao ihany koa ve izany? Ny hiaraka Aminy mandrakariva ao am-ponao sy ao an-tsainao? Hain'i Jesoa ny fomba hitantanana ny fiainanao amin'ny fomba mahatalanjona. Tsy mahalala mpanjaka tsara noho Izy aho. Nanova tanteraka ny fiainan'i Mefiboseta ny fanasan'i Davida Mpanjaka. Afaka manova tanteraka ny fiainanao ihany koa ny fanasan'i Jesoa Tompo. Manasa anao Jesoa ary te hampiseho aminao ny hatsarany. Tiany hiaraka Aminy foana ianao. Ekeo ny fanasany. Azonao omena azy amin'ny alalan'ny vavaka ny valinteninao. Mihaino anao Jesoa Mpanjaka. Mpandray anjara: Mpitantara, vehivavy, mpifanolo-bodirindrina, Davida, Mefiboseta © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |