Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 161 (Can the dead live 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

161. Mbola afaka ho velona ve izy 2


Inona no hataonao raha tsy mamaly ny vavakao amin'ny fomba tianao i Jesoa? Tezitra be aminy ve ianao ka tsy hivavaka intsony?

Tsy nanao izany i Marta, na dia maty aza ny anadahiny. Rehefa tonga i Jesoa tamin'ny farany, dia efa nalevina i Lazarosy.

Marta: "Jesoa ô, raha tonga aloha ianao, dia tsy maty ny anadahiko."

Jesoa: "Hitsangana i Lazarosy."

Marta: "Fantatro fa hitsangana izy amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia amin'ny andro farany izay hananganan'Andriamanitra ny fiainana ho an'ny olona rehetra."

Jesoa: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; mino izany va ianao?"

Marta: "Mino aho fa Zanak'Andriamanitra ianao."

Ny finoana an'i Jesoa no zavatra tsara indrindra mila hatao foana. Na dia tsy azonao aza indraindray, na inona na inona mitranga, dia io no tsara indrindra.

Niverina nankany an-trano i Marta.

Marta: "Maria, miandry anao i Jesoa." (Feon'ny dian an-tongotra mandeha haingana (mihazakazaka))

Tsy azony ny antony hoe tsy maintsy navela ho faty ny anadahiny.

Nihazakazaka nankany amin'i Jesoa izy ary niankohoka teo an-tongony sady nitomany.

Maria: "Jesoa ô, raha teto ianao, dia tsy maty i Lazarosy."

Jesoa: "Taiza no nandevenanareo azy?"

Maria: "Tompo ô, avia dia ho hitanao."

Maro ireo mpisaona no nankany amin'ny fasana izay voaisy tombo-kase tamin'ny vato lehibe. Ary teo, Jesoa nitomany ihany koa.

Lehilahy 1: "Mitomany Izy. Tena tiany izy."

Lehilahy 2: "Fa nahoana no navelany ho faty izy?"

Jesoa: "Esory ny vato."

Kivy i Marta.

Marta: "Tompo ô, efa efatra andro izy no maty. Efa maimbo izy izao."

Jesoa: "Marta, raha mino Ahy ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra."

Ny finoana an'i Jesoa no tsara indrindra, na dia efa nitranga aza ny ratsy indrindra. Ary na dia tsy azonao aza, ny finoana an'i Jesoa no tsara indrindra mila atao.

Nesorin'ireo lehilahy ireo ilay vato. Dia niandrandra Jesoa.

Jesoa: "Ray ô, henonao mandrakariva ny fivavako, ry Lazarosy, mivoaha!"

Nisy fahagagana nitranga. Nitsangana indray i Lazarosy ary nivoaka avy tao am-pasana!

Maro tamin'ireo nahita izany no nino an'i Jesoa. Ny finoana an'i Jesoa no zavatra tsara indrindra mila hatao, na amin' inona na amin'inona. Tsy hamaly araka izay antenaintsika foana izy, fa hamaly kosa satria tiany ny hanome ny tsara indrindra ho antsika!

Mino an'i Jesoa ve ianao?


Mpandray anjara: Mpitantara, Marta, Jesoa, Maria, lehilahy roa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:23 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)