Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 162 (Detective seeks co-workers)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

162. Mpitsikilo mitady mpiara miasa


Sahiran-tsaina izy ary mila mpanampy amin'ny asa mahaliana ataony.

Afaka manampy azy ve ianao? Ho avy tsy ho ela izy.

(feon'ny lakolosy)

Oh! Izy angamba izany!

Mpitsikilo: "Manao ahoana! Stevie Snoop no anarako. Mpitsikilo aho. Mila anao aho. Eny, ianao! Manana raharaha 1000 hovahana aho."

Oh... manitatra izy.

Mpitsikilo: "Eny ary, eo amin'ny 999! Ity ny tranga voalohany. Tena tsiambaratelo izany. Fa tena maika, satria tsy maintsy ataontsika antoka fa tsy ho latsaka ao anaty fandrika ireo mpanjifa tsy manahy. Mpisoloky izy! Mpisoloky maka vola amin'ny paosin'ny olona. Saingy tsy haharitra ela. Tsy maintsy samborintsika izy."

Misy fanazavana momba an'io olona io ao amin'ny Baiboly, Filazantsaran'i Lioka, toko faha-19, andininy faha-2. Hanampy anao amin'ny fikarohanao io andalan-tsoratra masina io.

Raha tsy manana Baiboly ianao dia manoratà aty amiko fa handefasako anankiray.

Mpitsikilo: "Raha ny faharoa, mila mitandrina ianao. Mampiasa fitaovam-piadiana ity lehilahy ity. Manozona an'Andriamanitra velona amin'ny teny manevateva izy. Sarotra ny manarona ny dian-tongony. Mety ho 73 ny haben'ny kirarony!"

Mariho ho anao ity andinin-tsoratra masiana ity izay hitanao ao amin'ny Baiboly: 1 Samoela 17, andininy faha-4.

Raha tsy fantatrao hoe aiza no misy an'io ao amin'ny Baiboly, dia azonao jerena ny lfizahan-takelaka.

Mpitsikilo: "Zava-dehibe amiko manokana ny raharaha laharana faha-3. Tany amin'ny renirano no nahitana farany ity lehilahy ity farany. Volom-drameva ny akanjony ary tsy frites frantsay no sakafo tiany indrindra fa valala sy tantely remby (feo manadio tenda, mikohaka).
Nanasa ny olona rehetra hiara-hiaina amin'Andriamanitra izy ka hiala amin'ny fahotana. Maro no nihaino azy ka niaiky ny fahotany taminy. Raha mahita an'ity aho dia hihena ny rarin-tsaiko."

Misy fanazavana fanampiny hita ao amin'ny Matio 3, andininy 1.

Ary ao amin'io boky ao amin'ny Baiboly io ihany koa, ao amin'ny Matio 1, andininy faha-21, dia ho hitanao hoe avy aiza ny firazanany.

Tian'i Mpitsikilo Stevie Snoop ianao maba hanoratra aminay ny valinteninao.

Mpitsikilo: "Marina izany! Azafady, tena tsara raha manao izany ianao! Maika ireo raharaha ireo."

Mirary fifaliana lehibe ho anareo amin'ny famahana ireo olana ireo aho.

Mpitsikilo: "Mpitsikilo Stevie Snoop."


Mpandray anjara: Mpitantara, Mpitsikilo Stevie Snoop

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:24 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)