Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 103 (The voice of the unseen 3)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

103. Ny feon'ny tsy hita maso 3


Tena roimemy mifono mistery ity. (feon'ny lelafo miredareda) Nirehatra ilay izy, saingy tsy nety levona.

Nanatona moramora ilay roimemy i Mosesy. Naniry izy fatratra hahalala ity mistery ity.

Mosesy: "Mahagaga tokoa izany! Nahoana no tsy mety levona ilay roimemy?"

Feon'Andriamanitra: "Ry Mosesy! Ry Mosesy!"

Nisy niantso ny anarany. Saingy tsy nahita olona izy.

Feon'Andriamanitra: "Ry Mosesy!"

Mosesy: "Inty aho."

Feon'Andriamanitra: "Manatòna, esory amin'ny tongotrao ny kapanao, fa tany masina io ijanonanao io. Izaho no Andriamanitrao, izay ninoan'ny razanao."

Tohina i Mosesy. Teo Andriamanitra! Eo afovoan'ny roimemy mirehitra. Tsy sahy nijery intsony i Mosesy. Nalainy ny lambany hanaronany ny tavany. Reny tsara ny feon'Andriamanitra.

Feon'Andriamanitra: "Efa hitako ny fahoriana izay nataon'i Farao tamin'ny oloko any Egypta, ary efa reko ny fitarainan'izy ireo. Ankehitriny, hanafaka azy Aho ka hitondra azy ho any amin'ny tany soa sy malalaka. Ry Mosesy, mila anao Aho. Mandehana any amin'i Farao ary lazao izy hanafaka ny oloko amin'ny fanandevozana."

Mosesy: "Izaho ve? Maninona no izaho? Tsy afaka hanao izany aho?"

Nanana fialan-tsiny maro i Mosesy. Tsy azony an-tsaina fa afaka mampiasa azy Andriamanitra. Tena matotra anefa Andriamanitra.

Tsy maintsy hanafaka ny olona an-tapitrisany amin'ny fanandevozana i Mosesy.

Izaho sy ianao koa manana mpanafaka. Fantatrao ve hoe iza izany?

Mazava ho azy fa tsy andevo any Egypta isika. Misy olona te hitarika antsika hanota anefa, dia ny devoly. Manandevo olona izy ka tsy te hamela azy ho afaka. Fa Jesoa no ilay Mpanafaka mahery ho antsika. Nandresy ny devoly Izy.

Manafaka antsika ny finoana an'i Jesosy. Mirary izany ho anao aho.

Te hanafaka ny olony Andriamanitra. Izany no antony nanirahany an'i Mosesy ho any Egypta.

Nampahery an'i Mosesy hanao izany asa izany Andriamanitra ary nanome azy fahefana hanao fahagagana. Fa ny fanomezana sarobidy indrindra kosa dia ny fampanantenany.

Ary hoy Andriamanitra: "Aza matahotra, ry Mosesy, fa Izaho no hiaraka aminao ary homba anao. Hiaraka aminao koa ny rahalahinao. Efa an-dàlana izy. Mitsangàna, ka mandehana."

Niara-nandroso tamin'i Mosesy Andriamanitra. Ampy izay.

Hahafaka ny Isiraelita sy hitondra azy ireo hiala tany Egypta tokoa ve i Mosesy? Ho fantatrao tsy ho ela.


Mpandray anjara: Mpitantara, Mosesy, Feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:06 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)