STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 104 (Pharaoh is obstinate 4) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
104. Mafy loha i Farao 4Arona: "Mosesy, ianao tokoa ve ity? Salama." Mosesy: "Arona, tsy mino aho. Efa 40 taona izao isika no tsy nifankahita!" Nifamihina izy mirahalahy. Lehibe tokoa ny hafalian'izy ireo. Nanana planina ho azy ireo Andriamanitra. Tsy maintsy nitarika ny Israelita hiala amin'ny fanandevozan'ny Egyptianina i Mosesy. Ary tsy maintsy nanampy azy hanatanteraka io planina io ny rahalahiny. Tsy maintsy nankany amin'i Farao, ilay mpanjaka mahatahotra io izy ireo. Mba hahavitany izany dia nila herim-po be dia be izy ireo. Mosesy: "Ry Farao! Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny Isiraely aminao: Alefaso ny oloko!" Farao: "Ny Tompo? Iza moa Izy? Tsy fantatro Izy. Ary tsy mikasa handefa ny zanak'Isiraely mihitsy aho; mialà eto." Tsy vonona nihaino an'Andriamanitra i Farao. Farao: "Ry kamo! Miverena miasa. Tsy handray mololo hanaovana biriky intsony ianareo. Tadiavonareo izay hahitàna izany. Kanefa ataovy izay hahavitanareo isan'ny biriky mitovy amin'ny fanaonareo teo aloha ihany." Tsy takatry ny saina! Ankehitriny, dia mbola ratsy kokoa noho ny teo aloha ny zava-drehetra. Nanome tsiny an'i Mosesy sy niampanga azy ny Israelita. Nivavaka i Mosesy. Mosesy: "Tompo ô, nahoana no naniraka ahy ho any amin'i Farao ianao? Ankehitriny, dia ratsy kokoa noho ny hatramin'izay ny toe-javatra iainan'ny Israelita. Nefa tsy nanao na inona na inona Ianao hanafaka ny olonao." Hoy Andriamanitra: "Tsy ho ela dia ho hitanao izay hataoko amin'i Farao, hotereko handefa anareo izy. Izay nampanantenaiko dia ho tanterahiko, hanafaka anareo aho." Nandefa loza maro tamin'ny Egyptianina Andriamanitra. Zazalahy: "Indray mandeha, dia nanova ny ranon' ny ony ho rà Izy, nefa tsy nino Farao." Ankizivavy: "Beurk, dia nandrakotra ny tany manontolo ireo sahona be dia be. Tonga teo am-pandrian'i Farao mihitsy izy ireo!" Zazalahy: "Avy eo dia nisy havandra nahatsiravina nanimba ny vokatra rehetra!" Ankizivavy: "Ary maizina ny andro nandritra ny telo andro. Nefa tsy naharesy lahatra an'i Farao ireny fahagagana rehetra ireny. Mafy hatoka izy." Zazalahy: "Tena nahafinaritra kosa satria tsy nandratra ny Israelita ireny loza ireny." Dia tonga ny fotoana nanambaran'Andriamanitra ny loza lehibe indrindra. Hoy Andriamanitra: "Hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho, dia ho afaka ianareo." Nandeha farany tany amin'i Farao i Mosesy. Mosesy: "Anio alina dia handeha hamakivaky ny tany Egypta Andriamanitra, ka ho faty ny lahimatoa isan-tokantrano. Ny zanakao lahy ihany koa. Ary ho fantatrao fa manompo Andriamanitra velona ny Isiraely." Hanaiky azy ihany ve i Farao amin'ny farany? Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izany. Mpandray anjara: Mpitantara, Mosesy, Arona, Farao, Feon'Andriamanitra, zazalahy, ankizivavy © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |