STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 128 (No more thirst)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

128. Tsy hangetaheta intsony


Maro tamin'ny mponina tao an-tànana no niala tamin'ilay vehivavy Samaritanina.

Vehivavy Samaritana: "Izy rehetra dia nanondro ahy, tahaka ny hoe tonga lafatra ny zava-drehetra eo amin'ny fiainany. Manantena mba tsy hifanena amin'olona aho rehefa tsy maintsy mandeha any amin'ny fantsakana haka rano." (feo mandeha amin'ny lalana vato)

Nony mitataovovonana dia naka ny sininy fakany rano ravehivavy ka niala tao an-tanàna. Amin'ilay fotoana tena mahamay ny masoandro iny, no fotoana tsara hialana mba hisorohana ny fifanenana amin'ny olona. Vao maraina na amin'ny hariva no matetika mandeha any amin'ny fatsakana ny mponin'ny Sikara.

Vehivavy Samaritana: "Andriamanitra ô, iza àry io mipetraka eo anoloan'ny fatsakana io?"

Jesoa: "Omeo rano aho hosotroiko."

Vehivavy Samaritana: "Nahoana ianao miresaka amiko? Ianao Jiosy, ary izaho kosa vehivavy Samaritana?"

Tsy fantatr'ilay vahiny ve fa nisoroka ny Samaritana ny Jiosy satria nanambady vahiny hafa firenena ka nanompo sampy? Raha ny marina, dia fantany tsara izany. Saingy Izy dia tsy niezaka hanilika ireo izay voahilika. Hafa i Jesoa.

Jesoa: "Raha fantatrao hoe iza Aho, dia mba hangataka amiko hosotroina ianao dia hanome rano velona ho anao Aho."

Vehivavy Samaritana: "Ahoana no hahaizanao manovo rano? Lalina ny fantsakana."

Jesoa: "Izay misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta ihany, fa ny rano izay omeko dia manala ny hetahetany mandrakizay."

Ny fanirian'ny fontsika dia tahaka ny hetaheta. Rehefa tanteraka izy ireo dia mipoitra ny faniriana vaovao. Ary mitohy hatrany hatrany izany. Tsy afa-po mihitsy ny fo. Tsy mety levona ny hetaheta. Tsy misy traikefa be, tsy misy zava-bita ara-panatanjahantena, tsy misy namana tsara, na zavatra hafa afaka manala izany hetaheta izany. Io hetaheta eo amin'ny fiainana io dia tsy ho feno raha tsy amin'ny alalan'Ilay mipetraka eo amoron'ny fatsakana ihany. Nahatsapa izany ilay vehivavy.

Vehivavy Samaritana: "Omeo amin'izany rano izany aho, dia tsy voatery handeha eto amin'ity fantsakana ity intsony."

Jesoa: "Mandehana, alao ny vadinao."

Vehivavy Samaritana: "Tsy manambady aho."

Jesoa: "Fantatro fa efa nanam-bady in-dimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy iarahanao ankehitriny."

Fantatr'i Jesoa ny zava-drehetra momba azy, nefa tsy niezaka nanalavitra azy izy.

Vehivavy Samaritana: "Andriamanitra no naniraka anao, fantatro fa ho avy ny Mpamonjy."

Jesoa: "Izaho no izy."

Namela ny fahotany i Jesoa ary nanome azy fiainana sambatra vaovao. Feno hafaliana ilay vehivavy ka nandao ny sininy ary nihazakazaka nankany an-tanàna. Nanasa ny rehetra hanatona an'i Jesosy izy.

Asaina ihany koa ianao! Afaka manatona an'i Jesoa ianao. Dia azonao atao ny miteny toy izay nolazain'ny mponina tao Sykara hoe:

Ankizy: "Mino an'i Jesoa aho ankehitriny. Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenako mihitsy nahita Azy. Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao."


Mpandray anjara: Mpitantara, vehivavy Samaritana, Jesoa, ankizy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 03:59 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)