Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 093 (The Kurku-promise 5)
93. Ny fampanantenan'i Kourkou 5
Tamin'ny fifaliana feno no nihazakazahan'i Ringo ho any an-tanana.
Ringo: "Maty ilay tigra! Mqy ilay tigra! Novonoinay izy!"
Nirehereha i Battou noho ilay zokiny lahy.
Battou: "Mahavariana mihitsy ianao. Natahotra ve ianao nandritra ny fihazana ilay tigra?"
Ringo: "Natahotra be mihitsy, saingy nivavaka aho dia tsy nidobodoboka be intsony ny foko."
(feon'ny fiara)
Ringo: "Azo antoka mihitsy fa Sahib Grubb, ilay vahiny fotsy hoditra izany, ilay niresaka tamiko momba an'i Jesoa!"
Battou: "Avia, Andeha isika hankeny aminy."
Nanjavona teo amin'ny fiviliana manaraka izy roa lahy indiana, ka hitany fa nanana olana i Sahib. Niraikitra tanteraka tao anaty fotaka ny fiara Jeep an'ilay misionera. Voatery nampiasa ny omby i Ringo nahfahana nanala ilay fiara Jeep tao anaty fotaka.
Sahib Grubb: "Vits izay. Misaotra betsaka Ringo tamin'ny fanampianao. Tsy maintsy manao veloma anao aho androany, mety tsy hihaona intsony isiska mandritra ny vanim-potoana maharitra. Tsarovy mandrakariva fa ny Tompo Jesoa dia miaraka aminao amin'ny fotoana rehetra. Mijanona ho mahatoky Azy ary miezaha foana manao izay tiany. Tsy hitondra fifaliana ho anao ny fahotana. Mbola hanananao ve ilay taratasin'Andriamanitra?"
Ringo: "Eny. Tehiriziko ato anaty hamamako ilay izy."
Sahib Grubb: "Tazony ao am-ponao ny tenin'Andriamanitra, azonao itokisana izany... Oh, Eo am-pieritretana eto tokoa, nanjavona ny zavamanenoko…"
Nivora-mena hatrany am-poton-tsofiny i Ringo. Izy ilay mpangalatra. Nafeniny tao anaty trano tranainy ilay fitaovana. Nahafantatra izany ve i Sahib?
Sahib Grubb: "Tsy manam-potoana intsony aho hikarohana ilay izy. Afaka mano izany eo amin'ny toerana ve ianao azafady? Raha hitanao ilay izy dia afaka aterinao any amin'i Rtoa Merry eny an-drenivohitra, izy indray dia mahalala foana hoe aiza no toerana hitoriako dia izy indray no hanoem izany aty amiko."
Naforitr'i Ringo moramora ny tananany sady nosintoniny ny sofiny. Tahaka izany no fanaon'ny indiana rehefa manao fanekena. Tena fanekena-Kourkou marina.
Nahatsiro ory, nody tany an-tranony izy.
Ringo: "Nahoana no tsy nolazaiko taminy fa izaho ilay mpangalatra? Tena kanosa aho. Tompo Jesoa o, mbola afaka mihaino ahy ihany ve Ianao? Nangalatra zavatra aho, tena J'ai volé quelque chose, tena miala tsiny aho. Miangavy Anao aho mba hamindra fo amiko noho ny fahotako ka ampio aho hanao izay marina."
Inona no zavatra tsar tokony hatao rehefa sendra tahaka izao? Fantr'i Ringo avy hatrany. Tsy maintsy mamerina izay nagalariny izy. Saingy mafy be izany. Ahoana no mety eritreretin'ny hafa momba azy? Nandr feo kely avy tao am-pony izy. Miteny Hoy ilay feo hoe: avereno any amin'ny tompony ny zavamaneno, dia hilamina indray ny zavatra rehetra.
Fantatrao ihany koa ve izany feo izany? Fantatrao ve hoe inona no fomba atao rehefa avy nangalatra zavatra ianao?
Ny valiny dia ao amin'ny tantara manaraka.
Mpandray anjara: Mpitantara, Ringo, Battou, Sahib Grubb
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina