Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 092 (A man-eating tiger 4)
92. Ilay Tigra mihinana olona 4
Sahib Grubb: "Ringo, manana olana angaha ianao? Nahoana ianao no mitebiteby?"
Ringo: "Sahib, handeha hihaza tigra izahay. Misy tigra mpihinana olona mivezivezy an-tsokotsoko manodididna ny tanananay."
Sahib Grubb: "Fa handeha ihany koa angaha ianao?"
Ringo: "Eny, kanefa inona no hitranga raha manafika ahy izy na koa hoe tonga ireo fanahy ratsy?"
Sahib Grubb: "Misy olona iray afaka miaro anao. Mahery be izy sady afaka manao ny zavatra rehetra. Mahery kokoa noho ireo fanahy ratsy Jesoa! Ny Baiboly dia miteny hoe tonga Izy mba hanafaka antsika amin'ny fahefan'ny fanahy ratsy."
Ringo: "Jesoa ve izany tena mahery kokoa noho ireny?"
Sahib Grubb: "Eny, tena mahery kokoa."
Ringo: "Maniry ny hino azy aho, tahaka ny ataonao izao."
Tena nazava be tamin'i Ringo fa nila an'i Jesoa izy. Nivavaka izy dia nanapan-kevitra ny hampiditra Azy eo amin'ny fiainany. Niresaka tamin'Ilay Andriamanitra tsy hita maso izy ary dia nino tanteraka fa mihaino azy i Jesoa.
Sahib Grubb: "Ringo, afaka miresaka amin'i Jesoa foana ianao ary koa manontany Azy hanampy anao, eny, na dia mandritry ny fihazana ny tigra aza."
Ora maromaro taty aoriana, tonga ny fotoana hiaingana. Naka ny fitaovam-piadany ny lehilahy i Ringo kosa ny jiro fanao am-paosy. Niakatra am-pahanginana teo amin' ilay hazo efa antitra teo akaikin'ny dobo izy ireo. Mihatrana izy ireo mandinika ilay toerana malalaka eo anoloana. Mivavaka mangina i Ringo.
Ringo: "Jesoa Tompo, miangavy Anao mba hanampy anay hamono ilay tigra mba tsy hamonoany olona maro hafa. Ee, hitanareo ve? Misy zavatra mihetsika iry e!"
Nandray ny tanan-drainy i Ringo. Zara raha afaka niaina izy. Ilay tigra moa nitsaoka hankeny amin'ilay omby maty izay nataon'ny olona hanjonona azy ka notafihany tamin'ny hanoanan ilay izy. Tampoka teo dia niandrandra ny mason'ilay tigra ary dia nitranga hainganana dia haingana ny zavatra rehetra! (feon'ny poa-basy)
Rainy: "Tena mampihorin-koditra, tsy voako izy!"
Lehilahy: "Tandremo! niverina izy, hitsambikina ety amintsika!"
Rainy: "Ringo, ataovy mivantana amin'ny masony ny jiro, tsy afaka mahita na inona na inona izy amin'izay!"
Ringo: "Vonjeo! Maivana loatra ny herin' ilay jiro fanao am-paosy... Jesoa Tompo o, lazao amiko izay tokony hataoko!"
Natsipin'i Ringo tamin'ny tany tamin'ny heriny rehetra ilay jiro fanao am-paosy. Niatsambotra teo amin'ilay fahazavana ilay tigra. Nisy poa-basy nanako.
Nitsabikina indray mandeha teny amin'ny rivotra ilay tigra, rehefa avy eo dia nianjera tamin'ny tany izy, naratra. Namahana ny basiny ny rain'i Ringo dia nitifitra an'ilay tigra (feon'ny poa-basy), dia nianjera maty teo amin'ny tany ilay biby mampididoza.
Nisento ny rehetra, Ringo kosa nivavaka mangina.
Ringo: "Andriamanitro o, misaotra Anao amin'ny foko manontolo aho, nanampy anay Ianao!"
Tsy mamela na iza na iza ho irery Andriamanitra. Ary ianao, efa niaina niaraka taminy ve?
Afaka manoratra amiko ianao sady miteny amiko ny fomba namaliany ny vavaka nataonao.
Mpandray anjara: Mpitantara, Ringo, Sahib Grubb, rainy, lehilahy
© Zon'ny mpamoron: CEF Alemaina