STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 080 (A bill for Mom)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

80. Ilay faktiora ho an'i mama


Ny faniriana mafin'i Jasmine dia teo ambony talantalan'ilay mpivarotra kilalao.

Jasmine: "Tena mila vola aho! Omena tombotsoa manokana ny olon-dehibe. Afaka mividy izay tiany izy ireo! Fa aoka anie! Hitako ny hevitra!"

Maika be i Jasmine. Vao vita ny sakafo atoandro, dia lasa tao an'efitranony izy. Ny zavatra nilainy dia penisiliahazo iray sy taratasy.

Jasmine: "Taratasim-karama ho an'i Jasmine. Izaho tsy andevo ka hiasa tsy misy tambiny:
Mitaona ireo vera ao anaty kantenera fanavaozana …………….........12.500 AR
Manao ny trano fidiovana………………………………………………….20.000 AR
Mangorona lovia isan-kariva………………………………………………40.000 AR
Mampirina sy manadio ny efitrano (asa mafy!)………………………..107.000 AR
Mampirina izay tao anaty fanasam-bilia…………………………………25.000 AR
Manary fako (tena masiso)………………………………………………..40.000 AR
Ny totaliny, dia manome………………………………………………… 244.500 AR
Mba aloavy maika azafady!
Miasa mafy ilay Jasmine-nao."

Napetraka mangingina teo ambony latabatra tao an-dakozia ilay faktiora. Nahita taratasy teo ambony viliany izy. Fa niandry izy eo hovakiana aoriana kely rehefa izy irery ilay izy.

Jasmine: "Tena liana amin'izay aho. (feon'ny taratasy sokafana sy vola nilatsaka) Tena 244.500 AR! Tsy mbola nanankarena tahaka izao aho! Fa misy soratra kely niaraka taminy!
Jasmine mamiko loatra!
Indro ny karamanao. Tena ankizivavy miasa sy mampihatra tsara ianao. Rehefa mba manana fotoana ianao dia mba vakio ny faktiorako azafady.
Nandritra ny 10 taona nanasa ny lambanao aho……………………….maimaim-poana
Nandritra ny 10 taona, nahandro sakafo ho anao aho…………………maimaim-poana
Rehefana narary ianao, nikarakara anao aho…………………………..maimaim-poana
Nilalao niraka taminao aho………………………………………………..maimaim-poana
Naka fotoana foana aho nihaino ny olanao sy ny zava-manahirana…maimaim-poana
Tsy hanampy zavatra hafa amin'ity lisitra ity intsony aho. Izay rehetra nataoko dia nataoka tamim-pitiavana ho anao satria tena tiako be ianao, ry malalako. Ny reninao."

Menatra i Jasmine. Nihazakazaka nankany amin'ny reniny izy sady namihana azy mafy.

Jasmine: "Mama a! Tsy hanome anao faktiora intsony aho mandrakizay. Ity ny volanao. Tiako ianao!"

Manampy ny hafa dia miteraka fifaliana; toy izany ko any fanomezana. Efa akainy ny fetin'ny reny. Te hanome fifaliana ve ianao? Maniry aho hoe hanana hevitra tsara ianao izay hahagaga ny reninao. Aza adino àry: ny manao zavatra ho an'ny hafa dia mitondra fifaliana izay mivaly aminao ihany. Ary tsy ho amin'ny fetin'ny reny ihany!


Mpandray anjara: Mpitantara, Jasmine

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on September 15, 2025, at 08:11 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)