STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 029 (Behind closed doors)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

29. Ao ambadikin'ny vavahady mikatona


Mpianatra: "Jaona, hidio ny varavarana. Tsymatoky azy ireo aho. Namono an'i Jesoa izy ireo tamin'ny voalohany, ary tsy ho ela dia mety ho tonga aty amintsika." (Feo varavarana mikatona)

Kivy ny mpianatr'i Jesosy ka nipetraka tao ambadiky ny varavarana mihidy. Tsy fantatr'izy ireo ve fa efa nitsangana tamin'ny maty i Jesoa? Maria tena nifanena taminy tokoa.

(mandondona eo am-baravarana)

Mpianatr'i Emaosy voalohany: "Indreto izahay!"

Mpianatr'i Emaosy faharoa: "Vohay ny varavarana!"

Mpianatra iray: "Kleopasy, Nahoana ianao no mbola tsy ao an-trano?"

Mpianatr'i Emaosy voalohany: "Niresaka tamin'i Jesoa izahay ! Velona izy!"

Mpianatra: "Taiza no nahitanareo azy? Lazao anay daholo ny momba izany!"

Mpianatr'i Emaosy faharoa: "Tamin'ny voalohany dia tsy nahafantatra azy mihitsy izahay."

Mpianatr'i Emaosy voalohany: "Toy izao no zavatra nitranga: Niara-nandeha sy niresaka izahay. Tampoka teo dia nisy lehilahy iray nanatona anay, niaraka taminay sady nanohy resaka taminay."

Mpianatr'i Emaosy faharoa: "Nanontany anay izay zavatra noresahinay Izy. Hoy aho hoe: "Ianao irery ve izany no tsy mahalala izay nitranga tao Jerosalema, fa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Jesoa?" Nanazava taminay Izy fa efa nilaza izany Andriamanitra ary tsy maintsy nitranga izany."

Mpianatr'i Emaosy voalohany: "Tena nahay tsara ny Soratra Masina Izy. Ary nampahery anay ny resaka nifanaovana. Nandeha haingana be ny fotoana, ary efa maizina ny andro vao tonga tao an-tanàna izahay."

Mpianatr'i Emaosy faharoa: "Nasainay nisakafo izy. Ary avy eo dia izao no nitranga taorian'izay: Nandray ny mofo Izy, nivavaka, namaky ny mofo ary nozarainy roa ny mofo ary nanome izany ho anay izy. Tamin'izay fotoana izay no nahafantaranay Azy, Tena Jesosy io! Saingy rehefa nahafantatra izahay hoe iza Izy, dia nanjavona Izy! Tena hitan' ny masonay- Tsy teo intsony izy."

Mpianatr'i Emaosy voalohany: "Tena marina, tena marina izany! Niresaka tamin'i Jesoa izahay ary nihazakazaka haingana araka izay azonay natao mba hilaza aminareo fa velona Izy!"

Rehefa nihaona amin'i Jesoa ny olona dia tsy afaka nitazona Azy ho an'ny tenany izy ireo fa mba te-hilaza amin'ny hafa fotsiny ny momba Azy! Raha mbola nilaza tamin'ny hafa ny zava-nitranga ireo mpianatra roa lahy, dia niseho tampoka tao amin'ny efitrano i Jesoa.Nasehony azy ireo ny tanany sy ny tongony.

Jesoa: "Ho aminareo anie ny fiadanana. Izaho ihany ity."

Nino ny mpianatra taorian'izay. Tsara ny mandre momba an'i Jesosy. Manala ny fisalasalana ny fihaonana amin'i Jesosy sady manome fifaliana.

Ao amin'ny tantara manaraka dia hilaza amintsika ny fomba nihaonany tamin'i Jesoa i Melanie sy Sara.


Mpandray anjara: Mpitantara, mpianatra, mpianatr'i Emaosy, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 05, 2025, at 04:08 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)