Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 028 (The very first Easter)
28. Ilay paska voalohany
Tamin'ny firy ianao no nifoha androany?
Nifoha maraina be i Maria sy ny namany tamin'io andro io. Saingy nalahelo mafy ny fon'izy ireo. Raha mba mbola velona tokoa mantsy Jesoa! Androvitsy talohan'izay dia maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy. Isaky ny mieritreritra izany izy ireo dia mitomany.
Vao niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasany izy ireo.
Namana: "Maria, jereo anie! Mikodia ny vato! Indro misy anjely io!"
Anjely: "Aza matahotra ianareo! Fantatro fa mitady an'i Jesoa ianareo. Tsy ato Izy. Nitsangana tamin'ny maty Izy!"
Niverina ny fanantenana! Marina tokoa izany! Efa nilaza tamin'izy ireo i Jesoa fa tsy maintsy ho faty Izy, ary hitsangana indray rehefa afaka telo andro. Ahoana no nahafahan'izy ireo nanadino an'izany?!
Anjely: "Mankanesa atỳ, ka jereo ny toerana nametrahana Azy."
Nijery ny fasana ireo vehivavy, ary foana ilay izy!
Anjely: "Mandehana lazao ny mpianatra!"
Tamin'ny fifaliana sy fahagagana no nandaozan'izy ireo ny fasana. Velona Jesoa!
Ary nony teny an-dalana izy dia nihaona taminy izy ireo. Fantatr'izy ireo Izy. Afaka nikasika Azy mihitsy aza izy ireo. Tena teo tokoa Izy, velona tsara, ary niresaka tamin'izy ireo.
Jesoa: "Aza matahotra ianareo! Mandehana lazao ny hafa!"
Arak'izany indrindra no nataon'izy ireo.
Maria: "Velona Jesoa!"
Namana: "Nitsangana Izy!"
Maria sy ny namany iray: "Foana ny fasana!"
(Manaova feonkira rehefa mamaky ilay andininy)
Hoy i Jesoa: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany ve ianao?" (Jaona 11. 25-26)
Manao veloma anareo aho miaraka amin'ny fiarahabana izay nahazatra ny Kristianina nifampizarana rehefa Paska:
"Efa nitsangana ny Tompo! Tena nitsangana tokoa izy!"
Mpandray anjara: Mpitantara, Maria, namana, anjely, Jesoa
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina