Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 001 (Jesus loves children)
1. Tia ny ankizy i Jesoa
Indray andro, nisy vahiny tonga nitsidika ny andriambavy tany Soeda; nanontany azy izy ireo hoe: "Azonao aseho anay ve ny firavaka sarobidin'ny mpanjaka?"
"Mazava ho azy," hoy izy namaly. Niditra tao an-trano avy eo dia nivoaka teo am-baravarana ary avy eo dia niditra sy nipoitra teo am-baravarana niaraka tamin'ny zanany roa.
Nofihininy teny an-tsandriny ireo ankizy roa ary nitsiky tamin'ireo vahiny izy sady niteny hoe: "Inty ny harenako."
Gaga ireo vahiny, satria nanantena hahita diamondra sy vato sarobidy hafa. Takatr'izy ireo anefa fa sarobidy kokoa ny ankizy eo imason'ny andriambavy noho ny vato sarobidy rehetra.
Tena marina tokoa fa tsy ny olon-drehetra no manana fo ho an'ny ankizy.
Izaho anefa mahafantatra olona iray izay tena tia ny ankizy dia ny Tompo Jesoa.
Ao amin'ny Baiboly dia misy tantara iray izay manambara ny nitondran'ny ray aman-dreny ny zanany teo amin'i Jesoa mba hahafahany mitsodrano azy ireo sy mba hahafahan'ireo ankizy mahafantatra Azy ihany koa. Teo amin'ny fotoana izay hihaonany tamin'izy ireo anefa dia nisy miteny amin'ny teny feno fahatezerana miantsy azy ireo:
Mpianatra: "Hey ianareo! Inona no ataonao eto? Mandehana mivoaka!"
Natahotra ny ankizy, ka nijanona izy. Tsy sahy nilaza na inona na inona izy ireo.
Ny mpianatr'i Jesoa no nibedy mafy azy ireo!
Soa ihany fa tsy nifarana teo ny tantara!
Tonga dia niditra an-tsehatra avy hatrany i Jesoa, izay tia ny ankizy.
Jesoa: "Avelao hanatona ahy ireo ankizy ireo. Aza roahina, fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra."
Eny, tena tia ankizy Jesoa. Miantso azy ireo izy mba hatoky Azy sy hianatra hahafantatra Azy. Dia tonga izy ireo...
... Ankizilahy sy ankizivavy mitovy taona aminao
... Tsara fanahy sy ratsy fanahy
... kely na lehibe
... Matanjaka sy saro-kenatra
... Na manao ahoana na manao ahoana fahaizan'izy ireo
... na mano ahoana na manao ahoana ny volon-kodiny!
Tsy ho hadinon'ny ankizy mihitsy io andro io rehefa nandraisan'i Jesoa azy ireo io sy ny nitahiany azy ireo.
Tia ankizy i Jesoa!
Tena feno fifaliana izy ireo hany ka nitantara izany tamin'izay rehetra manodidina azy ireo.
Tsarovy fa tia anao foana i Jesoa!
Hoy izy ao amin'ny Baiboly: "Tsy hovaliko mihitsy izay rehetra manatona ahy."
Mpandray anjara: Mpitantara, Jesoa, mpianatra
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina