Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 112 (Mirror of the truth)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

112. Ny fitaratry ny fahamarinana


Impiry ianao no nijery fitaratra androany?

Indray andro, nijery fitaratra ihany koa i Marc. Tohina izy. Tsy nampiasa savony sy rano anefa izy, fa naka ilay fitaratra ary nanipy izany tamin'ny tany!

(Feon'ny Fitaratra Vaky)

Toy izany koa no ataon'ny olona sasany amin'ny Baiboly. Toy ny fitaratra izay mampiseho amin'ny ankizy sy ny olon-dehibe ny zavatra tsy mety eo amin'ny fiainany izany. Maro no tsy tia izany.

Mpaminany sady mpitondra tenin'Andriamanitra teo amin'ny Isiraely i Jeremia taloha ela. Ary niaina zavatra mitovy amin'izany ihany koa izy. Toy ny fitaratra ho an'ny olona ny toriteniny. Kanefa tsy te hiova izy ireo. Tena nanam-paharetana tamin'izy ireo Andriamanitra. Nandritra ny dimampolo taona be izao.

Feon'Andriamanitra: "Ry Jeremia, makà horonan-taratasy, ka soraty izay rehetra lazaiko aminao, angamba mety hihaino Ahy izy ka hanova ny fiainany."

Naharitra volana maromaro izany asa izany. Notononin'i Jeremia tamin'i Baròka mpitan-tsorany ny tenin'Andriamanitra, izay nanoratra ny lahatsoratra manontolo, teny isaky teny.

Jeremia: "Ry Baròka, vita ihany izy ity nony farany. Fantatrao ve fa tsy mahazo miditra ao amin'ny tempoly intsony aho. Mandehana, ka ento miaraka aminao ireto horonam-boky ireto mba hovakiana eo amin'ny olona."

Nihaino tsara i Mika rehefa novakina mafy ireo horonam-boky.

Dia lasa faingana izy naka ny minisitra avy tao an-dapan'ny mpanjaka.

Mika: "Namaky ny tenin'Andriamanitra tao amin'ny tempoly i Baròka. Tsy niaina araka ny tokony ho izy isika. Hanasazy antsika Andriamanitra."

Minisitra: "Ento aty aminay ilay lehilahy miaraka amin'ny horonam-boky."

Tonga i Baròka. Toy ny fitaratra ny tenin'Andriamanitra, ary nikasika ny fon'ilay minisitra izany.

Minisitra: "Baròka, ahoana no nanoratanao izany rehetra izany?"

Baròka: "Notononin'i Jeremia dia nosoratako tamin'ny ranomainty ilay izy."

Minisitra: "Tsy maintsy ampahafantarinay ny mpanjaka izany. Ry Baròka, mandehana miafina miaraka amin'i Jeremia, aoka tsy hisy olona tokony mahalala izay misy anareo roa."

Ary Joiakima mpanjaka nipetraka tsara teo anoloan'ny afo tao an-trano fonenany rehefa ririnina.

Maro ireo zavatra tsy milamina teo amin'ny fiainany. Tsy te hihaino an'Andriamanitra anefa izy. Isaky ny vita ny famakiana andalan-tsoratra vitsivitsy, mitsangana izy, tapahiny amin'ny antsy ny ampahany amin'ilay horonan-boky, ary atsipiny ao anaty afo. Imbetsaka izy no nanao izany mandra-pahalevon'ny horonam- boky rehetra.

Naverin'i Jeremia sy Baròka nosoratana indray ilay lahatsoratra manontolo tao amin'ilay toerana niafina.

Lehibe ny fitiavan'Andriamanitra. Nosoratana ho antsika ihany koa ny Teniny.

Torohevitra ho anao: mamakia ny Baiboly isan'andro. Ekeo ny hiova. Tian'Andriamanitra ho salama tsara ianao, indrindra fa ao am-ponao.


Mpandray anjara: Mpitantara, Jeremia, Feon'Andriamanitra, minisitra, Baròka, Mika

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:28 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)