Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 146 (Speaking stones 1)
146. Vato fahatsiarovana 1
Manao karazana fanangonana ve ianao? Hajia, sarivongana kely sa vola madinika? Feno vato ny talantalan'i Jacques.
Andrea: "Oay! Avy taiza no nahazoanao ireo rehetra ireo?"
Jacques: "Hitako ity iray ity nandritra ny dia an-tendrombohitra. Ary ity iray ity dia ampahany kely amin'ny rindrin'i Berlin. Ary ny iray hafa dia ny dadatoako no nitondra azy avy tany amin'ny Lohasahan'ny mpanjaka tany Ejipta."
Andrea: "Samy hafa avokoa izy tsirairay, hafa ny endriny, ny lokony."
Jacques: "Mampahatsiahy ahy ny zavatra niainako ny ankamaroan'ireo vato ireo."
Fantatrao ve fa i Abrahama koa dia nanangona vato? Tsy teo amin'ny talantalana, satria lehibe loatra izy ireo raha atao eo. Efa 4000 taona teo ho eo izay no niainany ary nanangana vato fahatsiarovana tany amin'ny toerana sasany.
Andrea: "Fa naninona?"
Nanomboka izany rehetra izany rehefa niresaka taminy Ilay Andriamanitra velona.
Ny feon'Andriamanitra: "Ry Abrahama ô! Mialà amin'ny taninao sy ny fianakavianao ka mandehàna any amin'ny tany izay asehoko anao."
Tsy nahita an'Andriamanitra i Abrahama, fa nandre Azy mazava tsara izy ary fantany izay tokony hataony: mahafoy ny zava-drehetra. Manontany izany amintsika foana Andriamanitra rehefa te hanome antsika zavatra tsara kokoa.
Ny feon'Andriamanitra: "Ary hasehoko tany vaovao ianao, ary hataoko ho tonga firenena lehibe ianao. Hitahy anao aho ary ho lehibe ny anaranao."
Tsy fantatr'i Abrahama mialoha akory ny lalana tokony halehany, dia nentiny ny fananany rehetra ary nandao ny taniny izy nefa tsy fantany izay toerana halehany. Niainga niaraka taminy ny vadiny sy ny zana-drahalahiny ary ny mpanompony, satria nino an'Andriamanitra izy ireo sady nankatò. Rehefa nandeha ny dia lavitra izy ireo, dia tonga tao amin'ny tany Kanana izay antsoina ankehitriny hoe Israely.
Takany ve fa hataon'Andriamanitra ho firenena lehibe izy, firenena izay hihavian'i Jesoa Mpamonjy antsika taona maro atỳ aoriana?
Tao amin'io tany nivahiniany io, dia nandre an'ilay feo mahazatra indray i Abrahama.
Ny feon'Andriamanitra: "Homeko ny taranakao ity tany ity."
Natoky tanteraka i Abrahama tamin'izay. Nisafidy tsara ny lalana marina izy. Tonga tany amin'ny toerana halehany izy.
Ny zavatra voalohany nataony dia ny nanorina alitara. Nanangana vato izy ho fahatsiarovana an'Andriamanitra sy ny fampanantenany rehetra. Ary tany atsimotsimo kokoa, dia nasiany vato fahatsiarovana iray hafa.
Ahoana tokoa raha manao fanangonana vato ho fahatsiarovana ao amin'ny efitranonao ianao? Isaky ny misy traikefa iray miaraka amin'Andriamanitra, ohatra, rehefa mamaly vavaka anao Izy, rehefa miaro anao Izy, dia azonao atao ny mametraka vato kely eo amin'ny talantalanao, ho fahatsiarovana Azy sy izay rehetra ataony ho anao. Ireo vato ireo dia afaka mamporisika anao hanohy hatoky azy sy hiaina ho azy.
Inona no nitranga tamin'i Abrahama taorian'izay? Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izany.
Mpandray anjara: Mpitantara, Andrea, Jacques, Feon'Andriamanitra
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina