STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 147 (Nothing is too hard for God 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

147. Tsy misy tsy hain'Andriamanitra 2


Tsy afaka tanterahina izany! Tena tsy afaka tanterahina izany! Azo antoka fa nandalo tao an-dohan'i Abrahama izany hevitra izany.

Fa nahoana? Efa antitra izy ary toy izany koa i Sara vadiny. Efa ela no nampanantenain'Andriamanitra zanakalahy izy ireo. Saingy ny fananana zaza amin'ny faha-89 taonany, na ho lasa ray amin'ny faha-99 taonany, toa azo heverina tsotra izao hoe tsy azo tanterahina.

Adinon'Andriamanitra ve izany?

Nipetraka teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama. Ny mitataovovonana tamin'izay dia nafana, tena nafana be. Tonga tampoka ireto mpitsidika tsy nampoizina. Telo lahy izy ireo. Niankohoka teo anatreha'izy ireo i Abrahama. Noheveriny ve fa Andriamanitra mihitsy no nanatona azy tamin'ny alalan'ireo lehilahy ireo?

Abrahama: "Tompo ô, mijanòna eto, aza manalavitra ny mpanomponao. Aoka hisy hitondra rano kely hanasana ny tongotrareo ka hiala sasatra eo amin'ny alok'ity hazo ity ianareo. Hitondra hanina ho anareo aho."

Lehilahy: "Ataovy izay lazainao."

Nandeha faingana Abrahama nankany amin'i Saraha izay tao an-day. Nanomboka nanendy mofo izy, nanomana zanak'omby ilay mpanompo, ary nitondran'i Abrahama sakafo tena tsara izy ireo, niaraka tamin'ny rononomandry sy ronono velona.

Lehilahy: "Aiza i Saraha vadinao?"

Abrahama: "Ao an-day izy."

Lehilahy: "Hiverina eto aminao aho rehefa afaka herintaona, ary Saraha vadinao hiteraka zazalahy."

(fihomehezana)

Nihomehy i Sara tamin'izany. Nihaino mangingina izy. Hoy izy anakampo fa tsy afaka tanterahina izany, satria efa antitra be izy.

Lehilahy: "Nahoana Saraha no nihomehy sy nilaza fa tsy azony atao ny miteraka? Misy zavatra sarotra loatra amin'Andriamanitra ve? Afaka herintaona i Saraha dia hiteraka zazalahy."

Misy zavatra tsy hain'Andriamanitra va? Naverin'Andriamanitra tamin'i Abrahama mihoatra ny im-polo io fampanantenana fa hanan-janakalahy io izy. Indray mandeha dia nataony tamin'ny fomba tena miavaka izany.

Ny feon'Andriamanitra: "Ry Abrahama, atopazy ny masonao, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao, dia ho tahaka ireo ny taranaka izay homeko anao."

Tsy voaisan'i Abrahama ny kintana, saingy natoky an'Andriamanitra izy.

Ny lanitra midadasika feno kintana maro be dia nampahatsiahy azy fa mbola lehibe lavitra noho ireo Andriamanitra. Misy zavatra sarotra aminy ve? Sanatria!

Ary alao sary an-tsaina, rehefa feno 100 taona i Abrahama, dia tonga rain'ilay zaza tao an-kibon'i Saraha, ary i Saraha lasa reny falifaly be teo amin'ny faha-90 taonany.

(fihomehezan'ny zazakely) Nantsoina hoe Isaka, izay midika hoe "mihomehy" ny zanak'izy ireo ilay nandrasana hatry ny ela.

Amin'Andriamanitra dia tsy misy tsy hainy atao. Lehibe lavitra noho izay azonao eritreretina Izy. Andramo isaina ny kintana, dia ho hitanao fa lehibe lavitra Andriamanitra.


Mpandray anjara: Mpitantara, Abrahama, lehilahy, Feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:46 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)