Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 071 (The cast-your-cares hint)
71. Torohevitra iray_apetraho ny adin-tsainao
Tsy hahafinaritra ve raha tsy manana olana na ahiahy intsony isika?
Ankizivavy: "Maniry mafy mihitsy aho mba tsy hisy intsony ny ady."
Ankizilahy: "Ary tsy misy loza, tsy misy homamiadana."
Ankizivavy: "Ary tsy hisy ray aman-dreny misara-panambadiana."
Ankizilahy: "Mba tiako ihany koa raha tsy misy ankizy mijaly noho ny hanohanana intsony."
Raha mba marina izany, dia tena hahafinaritra tokoa moa izany!
Indraindray ihany aho maniry zavatra mitovy amin'izany. Ianao koa ve? Saingy raha mbola miaina eto an-tany isika dia tsy ho tanteraka ireo karazana faniriana ireo.
Manana vaovao tsara ho anao anefa aho! Misy olona iray izay tsy hamela anao irery amin'ny ahiahinao: Jesoa! Ahoana no ahalalako an‘izany? Avy amin'ny alalan'i Petera.
Misy taratasy maro nosoratany ao amin'ny Baiboly, ary amin'ny iray amin'izy ireny dia hoy izy hoe: "Apetraho aminy daholo izay fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo."
Miresaka avy amin'ny zavatra niainany i Petera. Indray mandeha, narary mafy ny rafozam-baviny. Tsy maintsy nijanona teo am-pandriana izy satria voan‘ny tazo mahery. Tsy afaka nanao na inona na inona izy ireo. Tsy fantatr'i Petera sy ny vadiny izay tokony hatao mba hanampiana azy.
Rehefa tonga nitsidika azy ireo anefa i Jesoa, dia notantarain'izy ireo taminy ny fikarakarana efa natao.
Petera: "Jesoa ô, mba ampio izahay azafady. Marary mafy ny rafozam-baviko, tena manahy ny aminy izahay."
Fantatr'i Jesoa ny zava-manahirana antsika rehetra, na lehibe izany na kely, ary faly manampy antsika izy.
Hoy ny Baiboly: "Nankany amin'ny fandrian'ilay vehivavy marary i Jesoa, ary noraisiny tamin'ny tanany ilay vehivavy." Nanampy azy hitsangana izy ary niala niaraka tamin'izay ny tazo. Tao anatin'ny indray mipi-maso dia sitrana izy. Sitrana tsara indray izy ary afaka nanomana sakafo matsiro ho an'ny rehetra mihitsy aza.
Tsy milamin-tsaina sy manana ahiahy ve ianao? Resaho amin'i Jesoa izany. Mihaino ny vavakao Izy. Indraindray dia tsy mamaly haingana toy ny nataony tamin'i Petera Izy. Afaka matoky anefa ianao fa tsy tara mihitsy i Jesoa, na dia tsy maintsy miandry ny valin-teniny aza isika indraindray.
Tadidio foana ny torohevitra tsara nomen'i Petera.
Petera: "Apetraho amin'i Jesoa daholo izay rehetra mampanahy anareo, fa miahy anareo Izy."
Mpandray anjara: Mpitantara, ankizilahy, ankizivavy, Petera
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina