STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 072 (Sensation on the sea)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

72. Fahatsapana teny ambony ranomasina


Nisy toe-javatra mahavariana nitranga teo amin'ny ranomasin'ny Galilia.

Petera: "Tena variana ny amin'i Jesoa mihitsy aho, tena tsy mampino aho mihitsy hoe: tamin'ny alalan'ny mofo dimy sy hazandrano roa no namokisan'i Jesoa lehilahy 5000 sy vehivavy maro ary ankizy! Afaka nihinana daholo ny rehetra sady voky e."

Mpianatra: "Hitanao ve ny isan'ny sobika fasiana mofo ambiny tao? Mihoatra lavitra noho ilay nananana tamin'ny voalohany!"

Petera: "Tena mahafinaritra! Amin'ny alalan'ny zavatra kely monja dia afaka manao be dia be Izy."

Jesoa Zanak'Andriamanitra dia miavaka. Afaka manao zavatra bestaka izy na dia miainga amin'ny tsy misy dikany aza.

Talanjona tamin'io fahagagana io ny olona rehefa namonjy fodiana ny alin'iny. Namonjy ny resadresaka nataon'ny mpianatra Jesoa.

Jesoa: "Miakara ao anaty sambo dia mandeha mita èry am-pita."

Tsy niondrana tao anaty sambo Izy, fa lasa nankany an-tendrombohitra nivavaka.

Nivoy ny sambo tao anaty alina tsy niaraka tamin'i Jesoa ny mpianatra. Tampoka teo, nisy rivo-mahery. Nampidin'ny mpanarato haingana ny lay. Nidona mafy teo amin'ny sambo ny onja voalohany. Raha mba niaraka tamin'izy ireo mantsy Jesoa tao anatin'izao tranga mampatahotra izao! Natahotra izy ireo sady niantsoantso. Fa vao maika nihamafy ny onja.

Petera: "Hitanareo ve iry e? Matoatoa io!"

Mpianatra: "Tena tsy zakako intsony izao."

Misy endrika fotsy mihetsika sy mandeha eo ambonin'ny rano sady manantona mahitsy ho eo amin'ny sambo. Nihoraka mafy ny mpianatra. Saingy tsy matoatoa ilay izy.

Jesoa: "Matokia, Izaho ihany! Aza matahotra!"

Fantatry ny mpianatra ny feony. Jesoa io. Petera no sahy niteny voalohany.

Petera: "Tompo o, Raha Ianao tokoa io, asaivo manantona Anao eny ambony rano aho."

Jesoa: "Manatona!"

Tsy mampino! Nivoaka ny sambo i Petera dia nandeha teo ambony rano hankany amin'i Jesoa. Raha mbola mijery an'i Jesoa izy dia mety tsara ny zavatra rehetra. Kanefa rehefa mijery ny onja izy, dia mitady hilentika.

Petera: "Tompo o, vonjeo aho! Ampio aho!"

Nanatsotra ny tànany Jesoa, noraisiny i Petera sady novonjeny.

Tsy manam-paharoa Jesoa zanak'Andriamanitra. Mamonjy Izy!

Jesoa: "Matokia Ahy, atolory Ahy ny fonao."

Niondrana tao an-tsambo niaraka tamin'i Jesoa i Petera. Tony ny onja, nitsahatra ny rivotra. Nandohalika teo anatrehan'i Jesoa ny rehetra sady niankohofa manoloana Ity mpamonjy mahafinaritra ity.

Petera: "Ianao no zanak'Andriamanitra!"

Tsy manam-paharoa Jesoa, zanak'Andriamanitra. Tsy misy tsy hainy atao.

Tsy mangataka anao handeha eo ambony rano Izy. Mandehana kosa eo amin'izay misy an'i Jesoa. Amin'ny tranga rehetra, hitarika sy hanampy anao Izy.


Mpandray anjara: Mpitantara, Petera, mpianatra, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 11:08 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)