Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 129 (Shabola from South Africa)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

129. Shabola avy any Afrika atsimo


(feon'ny tantanana na martoa)

Ray: "Tsara izao Shabola, tsara ny nataonao."

Shabola: "Mihevitra aho fa hampaharary ny hozatra izany. Aie! Ny tongotro."

Ray: "Tsy zakanao intsony ny martoa fa mialà sasatra kely dia afaka manitsakitsaka ny tany ianao mba hampatanjaka ny tany."

Nipetraka teo amin'ny alokaloka i Shabola. Nandre ny feon'ny gidro izy avy teny lavidavitra teny. Nanohy nanorina ny trano bongony tany amin'ny alan'i Afrika Atsimo ny rainy. Ho tsara tarehy toy ny sekoly misionera ao an-tanàna ve izany?

Ray: "Miverena amin'ny asanao ianao ry Shabola."

Nahafinaritra azy ny nanampy ny rainy, saingy naleony kokoa nandeha nianatra.

Ny ampitso maraina, rehefa avy nisakafo katsaka sy voanjo natao dibera izy, dia nandeha nankany an-tsekoly. Tiany ilay vehivavy mpampianatra azy. Umfundis no iantsoana azy any Zimbabwe. Tia azy ny ankizy rehetra. Fa ny tena tian'i Shabola dia ny taranja fivavahana. Teo dia tena nihaino tsara ilay tovolahy manana vola miloko maintsy sady ngita.

Mpampianatra: "Nisy ondry kely iray nandositra avy eo izy dia very. Noho izany dia navelan'ilay mpiandry ondry ny andian'ondry sisa rehetra fa lasa izy hitady ilay ondry very. Rehefa hitany ilay dia izy dia nesoriny tao anaty tsilo dia nobatainy tamin'ny tanany hoentina any an-trano. Ny Tompo Jesoa no tena mpiandry tsara. Nidina avy any an-danitra Izy ka tonga tety ambonin'ny tany mba hitady izay rehetra very."

Shabola: "Umfundis, izaho koa isan'ny ondry very. Mitady ahy ihany koa ve Jesoa?"

Mpampianatra: "Eny, mitady anao izy satria tiany ianao. Azonao atao ny milaza aminy raha te ho azy ianao."

Indray andro, tsy afaka nianatra i Shabola. Te hifoha hiala teo am-pandriana izy indray maraina, kinanjo nanavy be izy sady fanina be.

Reny: "Shabola, manavy be ianao, handeha haka ny mpamosavy aho."

Shabola (amin'ny feo malemy): "Tsy afaka manampy ahy izy."

Narary mafy i Shabola ary zara raha afaka niteny izy. Nitsidika azy ny mpampianatra ny alahady.

Mpampianatra: "Shabola, marary mafy ianao. Vonona ve ianao raha tsy maintsy ho faty?"

Shabola: "Ny Tompo Jesoa no Mpiandry tsara ho ahy, ary tsy ho ela Izy dia hitondra ahy ho any an-danitra."

Nikaton'i Shambola ny masony ary tsy nosokafany intsony.

Notantarain'i Umfundis ny tantaran'ilay mpiandry ondry tsara nandritry ny fandevanana.

Tampoka teo dia nandohalika teo akaikin'ilay vata kely ny rainy ary nivavaka.

Ray: "Jesoa Tompo ô, efa miaraka aminao izao i Shabola. Tsara aminy any ambony any. Izaho ihany koa mba te ho anao. Mamelà ny heloko ary aoka ho mpiandry tsara ho ahy Ianao. Amena."

Dia niteny tamin'ilay mpampianatra izy hoe:

Ray: "Umfundis, tsy malahelo intsony aho satria fantatro fa indray andro any dia mbola hahita indray an'i Shabola aho any an-danitra."


Mpandray anjara: Mpitantara, ray, reny, Shabola, mpampianatra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 04:02 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)