Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 082 (The special submarine 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

82. Ilay sambo mpisitrika miavaka 2


Ankizilahy: "Tena liana aho hahita izay hitranga momba an'i Jona."

Ankizivavy: "Raha marain-tsaina izy dia mba nihaino an' Andriamanitra ihany ka tsy nanandrana nitsaoka lavitra Azy."

Ankizilahy: "Tsy nanana ireo akanjo lena be ireo ihany koa izy."

Maniry ny hamonjy Andriamanitra, izany no tsy maintsy nandehanan'i Jona tany Ninive.

Mety ho nino isika hoe ny dia teo amin'ny androm-piainana dia nifarana sahady, raha toa ka tsy tao anaty plain'Andriamanitra izany rehetra izany. Maniry ny hamonjy Izy! I Jona ihany koa. Ary izany no antony nandefasany "sambo mpisitrika" tena manokana ho azy. Nisy hazandranogoavambe nilomano teo akaikin'ilay mpisitrika mafy loha ka nitelina azy manontolo!

Jnitoetra teo andro sy telo alina tao anatin'ny kibon'ilay trondro i Jona. Tapitra tao anatin'ny lalina be, ilay fandodsirany an'Andriamanitra. Niantso an'Andriamanitra izy tao anaty famoizam-pony lehibe.

Jona: "Tompo o, natsipinao tany an-dranomasiana aho. Nanafotra ahy ireo onja marobe ary nihevitra ny ho faty mihitsy aho… Saingy novonjenao aho! Tsy ho ampy ny fisaorako Anao… manomboka izao aho dia hanao izay rehetra angatahainao hataoko!"

Mihaino ny olon-drehetra Andriamanitra. Mihaino anao ihany koa Izy rehefa torotoro sy malahelo ianao.

Nihaino ny vavaka nataon'i Jona Izy ary nandidy hazandrano hilomano hatreny amoron'ny ranomasina ka naloany teny amin'ny tany maina izy.

Maniry ny hamonjy Andriamanitra, izany no antony nilazany tamin'i Jona fanindroany:

Miteny Andriamanitra: "Jona, mankanesa eny amin'ny tànana lehibe Ninive ka torio aminy ny teny nolazaiko anao."

Niainga nankany i Jona. (feon'ny fandehanana sy tabataba eny an-dàlana eny an-tànan-dehibe)

Jona: "Mihainoa ianareo! Mandefa ahy aty aminareo Andriamanitra. Rehefa afaka 40 andro, horavana ity tànananreo tsara tarehy ity. Sazy vokatry ny fahotànareo izany, satria mpandainga, mpijangajanga ary mpisoloky ianareo. Hitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra, ry mpamono olona sy mpangalatra."

Taitra ny olona ka dia nihaino.

Tena nahakasika ny fon'ireo ny toritenin'i Jona.

Vehivavy: "Marina ny azy: nanota tamin'Andriamanitra isika. Inona no tokony hataonay mahakasika izany?"

Mpitondra ny hafatry ny mpanjaka: "Misy didy avy amin'ny mpanjaka! Tsy misy olona mahazo mihinana na misotro. Mibebaha ianareo noho ny fahotanareo ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra. Angamba mety hihaino antsika Izy. Ajanony ny tsy rariny, ary manomboha fiainana vaovao."

Alaivo sary an-tsaina anie! Ireo mponina 120 000 tao an-tànana no niantso an'Andriamanitra. Ny lehibe sy ny ankizy, samy nibebaka tamin'ny fiainan'izy ireo tsy nisy an'Andriamanitra.

Nandeha ny andro. 38, 39, 40. Tsy nanafay azy ireo Andriamanitra. Nihaino ny vavaka fibebahana nataon'izy ireo Izy ka namela ny helony. Tsy mahagaga ve izany? Nitaraina tamin'Andriamanitra ny olon-drehetra ary izay nanao izany dia voavonjy.

Ary raha izany no mitranga ao amin'ny tànanantsika, ny tànan-dehibe antsika! maniry ny hamonjy Andriamanitra.

Ianao sy ny maro, ny maro hafa ihany koa.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizy roa, Jona, feon'Andriamanitra, vehivavy, mpitondra ny hafatry ny mpanjaka

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 04:53 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)