Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 083 (Daniel's test 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

83. Ilay fitsapana ho an'i Daniela 1


Nanao fahirano ny tanànan'i Jerosalema ny mpanjaka lehibe Nebokadnezara ka resiny. Tranga tsy nahavery fanantenana tanteraka izany ho an'ny jiosy.

Navelan'Andriamanitra ho lasa babo ny mpanjaka Joiakima. Nanompo andrimanitra tsy izy izay tsy afaka nanampy azy akory tao anaty fotoan-tsarotra izy. Nangalarin'ny fahavalo ireo harenan'ny tanàna sy ireo zavatra tao amin'ny tempoly.

Ny mpanjaka Nebokadnezara: "Aspenaza, tiako ireo tanora israelita aho hanompo ahy. Hoento ireo matanjaka indrindra sy ireo maranin-tsaina indrindra, ireo tovolahy tsara tarehy."

Nandeha dia an-tongotra efa mihoatra amin'ny 960 km ireo gadra. Daniela sy ny namany dia tao anatin'ireo.

Tonga tao amin'ilay tanàna lehiben'ny Babylone ihany izy ireo nony farany. Inona izao re no mety ho hitany ao amin'ny lapan'ny mpanjaka e? Tsy maintsy mankato ny baiko rehetra izy ireo. Tsy manana zo izy ireo na amin'inona na amin'inona. Daniela sy ireo namana kosa anefa dia efa tapa-kevitra mafy ny hijaonana mahatoky an'Andriamanitra.

Manana fandresen-dahatra tahaka izany ve ianao? Mijanona ho mahatoky Azy ve ianao anya m-pianarana sy any an-trano? Rehefa miaraka amin'ny namana sy rehefa eny amin'ny kianjan'ny baolina kitra? Mendrika hanehoana fahatokiana Andriamanitra, tena mendrika izany.

Tsy ho ela dia hiatrika ny zava-tsarotra voalohany i Daniela syn y namany. Nandidy ny mpanjaka fa tsy maintsy miantra mandritra ny telo taona ireo voafonja. Tsy maintsy nianatra ny fiteny babyloniana sy ireo foto-kevitra maro hafa ihany koa. Tsy maintsy mihinana izay rehetra napetraka teo anoloany teo amin'ny latabatry ny mpanjaka ihany koa izy ireo.

Daniela: "Ry Hanania, tsy afaka mihinana iroe sakafo ireo isika, satria tsy mifanaraka amin'ny fitsipika napetrak'Andriamanitra ireo."

Hanania: "Mihevitra ve ianao fa afaka mahazo zavatra hafa hohanina isika?"

Daniela: "Miala tsiny izahay, fa tsy afaka mihinana ny sakafo eo amin'ny latabatry ny mpanjaka."

Aspenaza: "Ny mpanjaka no nampanokana ireo hanina ireo ho anareo. Raha manao zavatra manokana ho anareo aho ka raha hitany fa ny tarehinareo toa ratsy kokoa raha oharina amin'ireo zatovo hafa mitovy taona aminareo, dia miteraka loza ho ahy eo anatrehan'ny mpanjaka izany."

Daniela: "Miala tsiny izahay, izahao toetra mandritra ny folo andro ireto mpanomponao. Aoka homena hanin-kotrana ho sakafo izahay sy rano no fisotronay, dia ampitahao amin'ny hafa izahay dia manapaha hevitra raha tokony hotohizana na tsia."

Nanaiky Aspenaza lehiben'ny tandapa. Dia toy izao no filazan'ny Baiboly ny vokany:

"Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ireo zatovo rehetra izay nihinana avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka."

Arak'izany dia navelan'ny lehiben'ny tandapa nanohy nihinana hanin-kotrana sy nisotro rano tsotra izy ireo.

Natanjaka tsara Daniela. Mahatoky teo anatrehan'Andriamanitra izy hany ka nandray valisoa. Telo taona taty aoriana, notsapain'ny mpanjaka ireo voafonja rehetra. Hita fa Daniela sy ireo namany no nana-tsahala oharina amin'ny hafa!

Ny mpanjaka Nebokadnezara: "Ireto zatovolahy ireto dia nanan-tombo impolo heny amin'ny faharanitan-tsaina mihoatra noho ireo mpampianatra ato amin'ny fanjakako. Tiako raha ireo no hanompo ahy."

Saingy fotoana fohy taorian'izay, dia nitandmin-doza ny ain'izy ireo. Hotantaraiko aminareo ny tohiny amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Nebokadnezara, Daniela, Hanania, Aspenaza

© Zon'ny mpamorona: CEF Allemagne

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 04:56 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)