Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 081 (Man over board 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

81. Lehilahy iray natsipy ivelan'ny sambo 1


Andao hiaraka aminay, handeha hitety tànana izahay.

Ankizilahy: "Tena mahafinaritra ity fiarovana ity! Handeha hijery ireo tilikambo aho."

Ankizivavy: "Aleoko mandeha any amin'ny tranomboky, afaka mijanona ao mandritra ny ora maro aho."

Ankizilahy: "Ny lapan'ny mpanjaka! Wow, mahafinaritra izany!"

Ankizivavy: "Handeha ho any amin'ny valam-biby aho."

Ankizilahy: "Hitsidika ny fianakavianao any ve ianao?" (hehy)

Taona maro lasa izay, dia nijery an'io tanàna io Andriamanitra. Tsy nanaitra azy ny hatsaran'ny voapetaka. Hitany izay tao ambadik'izany: feno fankahalana sy ady, famadihana ary famonoana olona. Niaina toy ny tsy misy Andriamanitra na lalàna ny mponina tao amin'ity tanàna ity. Nanadino ny Mpamorona azy izy ireo. Izany no anisan'ny zavatra ratsy indrindra mety hitranga amin'ny olona iray.

Raha mandinika akaiky ny fiainanao Andriamanitra, inona no ho hitany?

Tsy maintsy manasazy ny fahotana izy satria masina Izy. Andriamanitra anefa fitiavana kanefa mankahala ny ota ihany koa, ary aleony kokoa hamonjy ny olona, izany no antony nahatonga azy te hampitandrina ny olona tao amin'ity tanàna ity.

Andriamanitra: "Jona, mandehana any amin'ilay tanàna malaza eran-tany ao Ninive. Torio amin'izy ireo ny fomba famaizako noho ny fahotany. Satria nanadino ahy ireo olona ireo."

Dia lasa Jona, fa tsy nankany Ninive.

(Feon'ny olona mihazakazaka, feon'ny fofonaina)

Jona: "Tsy handeha ho any Ninive mihitsy aho! Ny fahavalon'ny firenentsika? Tsy adala aho. Mendrika ny ho faty izy ireo. Ah! Misy sambo iray ao amin'ny seranan-tsambo. Handoa vola be aho mba hiondrana ao amin'io sambo io ka handeha lavitra ny eto."

Mety ho tena lafo be ny fandosirana an'Andriamanitra. Niakatra tao amin'ny toerana fitehirizana tao an-tsambo i Jona ary resin-tory sy reraka teo anelanelan'ny barika sy ny baoritra. Hadalana mihitsy izao fihetsik'i Jona. Ahoana àry no ahafahany mandositra an'Andriamanitra? Na dia hatramin'ny faran'ny tany aza dia mahita antsika mandrakariva Izy. Ary nahita an'i Jona hatrany Andriamanitra.

Nisy tafio-drivotra mahery vaika nitranga. Samy nitaraina tamin' izay andriamaniny ireo mpiasan'ny sambo. Ilay Andriamanitra velona, izay afaka namonjy azy ireo mantsy, dia tsy fantany akory. Natsipin'izy ireo tao anaty ranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Nahotsokotson'ilay kapiteny i Jona mba hanairany azy tamin'ny torimasony.

Kapiteny: "Eh, Mifohaza! Miantsoa an'Andriamanitrao, angamba Izy no hamonjy antsika."

Nifoha avy hatrany i Jona. Ary ny nihanazava tampoka teo ny mistery...

Tatsambo: "Iza ianao, ary avy aiza ianao? Inona no asanao?"

Jona: "Izaho no Jona, manompo an' Ilay Andriamanitra Izay nanao ny lanitra sy ny tany Aho, ary noho ny heloko no nahatonga izao tafio-drivotra mahery izao satria tsy nankato an'Andriamanitra aho."

Tatsambo: "Inona àry no hataontsika izao?"

Jona: "Atsipazo any amin'ny ranomasina aho, dia ho tony indray izy, ary Andriamanitra no hamonjy anareo."

Tamin'ny voalohany dia tsy te hanao izany izy ireo, kanefa tamin'ny farany dia nalain'ireo tantsambo i Jona ary natsipiny tao anaty ranomasina.

(Feon'ny fianjerana anaty rano)

Izany ve no niafaran'i Jona? Tsia! Vao nanomboka ny anjoria.

Mbola hitohy izany amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizilahy, ankizivavy, Andriamanitra, Jona, kapiteny, tatsambo

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 04:51 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)