Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 044 (The witch doctor rants 3)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

44. Ilay mpamosavy tao anaty fahatezerana 3


TiFam: "Neny, manomboka avy ny orana."

Ny reniny: "Tena tsara izany, TiFam, satria manadio ny vovoka ny orana."

TiFam: "Tsy nahita an'i Victor isika. Maty ve izy?"

Ny reniny: "Tsia, tsy mino izany aho."

TiFam: "Saingy nilaza i Dada fa hamono azy ireo fanahy ratsy satria miresaka momba an'i Jesoa foana izy."

Ny reniny: "Mino aho fa mahery kokoa ny Andriamaniny. Aii, ny tongotro."

Nibolisatra ny renin'i TiFam ary narary azy ny tongony. Ahoana re no ahafahany miverina any an-trano amin'izao e? Tao anatin'ny oram-be, no tonga tao an-tranon'ilay misionera izy ireo, ary nandondona teo am-baravarana. Iza no nanokatra izany? Victor! Velona izy.

Victor: "Midira, afaka manamaina tena eo akaikin'ny afo ianareo."

Raha mbola iny teo am-pikarakarana ny tongotry ny reniny iny, dia nitsambikina i TiFam.

TiFam: "Ho faty ianao. Nanozona anao ho faty i Dada. Matahotra aho! Tsy tokony hijanona eto isika."

Victor: "Tsy mila matahotra ianao. Tsy afaka ny handratra ahy ny lahatra satria i Jesoa no Tompoko sady Mpiaro ahy."

Ny reniny: "Victor, nihaino anao aho tany an-tsena. Nino izay nambaranao aho, ary hatramin'izao dia misy fiadanana tato am-poko."

Nahatsara ny reniny ny resaka, saingy mbola natahotra ny rainy ihany i TiFam.

Raha fantany izany... Tena reraka izy ireo vao tonga tany an-trano. Ary vao mainka miharatsy ny toetr'andro. Nifofofofo toy ny oram-baratra ny rivotra ary tsy nitsahatra nirotsaka ny orana. Tondraka mihitsy aza ny renirano, tondraky ny rano ny arabe, ity ilay iray amin'ireo andro izay tsy nahafahan'iza na iza nivoaka ny trano mihitsy. (Misy mandondona ny varavarana)

TiFam: "Iza no ao?" (Feo varavarana misokatra)

Orestil: "Victor, maninona ianao no tonga eto?"

Victor: "Misy tany mihotsaka. Noho ny faharatsian'ny toetr'andro, misy ampahany amin'ny vato niendaka. Mialà ao an-trano, raha tsy izany ho maty tototra ao anaty fotaka ianareo."

Orestil: "Hadalana izany. Mijanona eto izahay. Miaro anay ny fanahy."

Victor: "Tsy afaka manampy anareo izy ireo. Ny Andriamanitra velona ihany no afaka manampy raha te-hino an'Andriamanitra ianao."

Orestil: "Tsy te-handre izany aho. Mialà eto! Mivoahà tato an- tranoko!"

Talohan'ny nandehanan'i Victor dia nampahery an-dramatoa Orestil izy.

Victor: "Ramatoa Orestil, aza matahotra. Andriamanitra no momba anao."

Vao lasa i Victor dia naka ny antsibe lehibe indrindra i Orestil ary nandao ny trano tamim- pahatezerana.

TiFam: "Mijanòna i Dada, aza manao izany!"

Hitohy amin'ny tantara manaraka izany.


Mpandray anjara: Mpitantara, ny reniny, TiFam, Victor, Orestil

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:08 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)