Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 045 (The catastrophe 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

45. Ny loza 4


Namely an'i Haiti ny tafio-drivotra. Ao amin'io tany mahantra io matetika misy ireo tafio-drivitra mafy izay manimba ny fambolena. Ohatry ny tsy nanam-pofonaiana i Orestil ilay mpamosavy rehefa niakatra ny havoana tao anatin'ny haizina ao anatin'ny orana. Ny tselatra no manazava ny haizina. Hitany i Victor teo amin'ny vatolampy.

Orestil: "Hovonoiko izy. Izy no tompon'antoka amin'ny zava-drehetra, satria miresaka foana momba an'i Jesoa izy. Hamaly faty amin'ny alalan'ny tafio-drivotra ireo fanahy, hovonoiko izy avy eo hataon'ny olona rehetra fa nianjera teo amin'ny vatolampy izy..."

Rakotry ny eritreritra te hamono olona ny tao am-pony, nanohy niakatra i Orestil. Tampoka teo anefa, dia nianjera tao anaty lavaka lehibe iray izy, ary niolana ny tongony. Tsy afaka nanohy izy.

Orestil: "Vonjeo! Vonjeo!"

Na dia teo aza ny kotro-baratra dia ren'i Victor ny antsoantsony mitady vonjy.

Tsy fantany hoe nahoana ilay mpamosavy no nanaraka azy.

Orestil: "Vonjeo aho, te-hitsidika ny zanako vavimatoa mipetraka eny an-tendrombohitra aho."

Mpandainga be i Orestil. Saingy nanampy azy ihany i Victor na izany aza. Nitandrina be izy nitondra ilay lehilahy naratra tany amin'ny trano bongo iray izay niaro azy ireo tamin'ny orana. Nandre feo mafy be izy ireo. Tsy kotroka izany. Raha tokony nijanona ny tabataba, dia niha-mafy hatrany. Nihorohoro ny tendrombohitra. Nisy antontam-bato lehibe nilatsaka teny amin'ny lohasaha ary nandrakotra ny tanàna. Tohina i Orestil.

Orestil: "Ny vadiko, TiFam-ko! Mila manampy azy ireo isika!"

Victor: "Orestil, nahoana ianao no tsy nihaino ahy? Efa nampitandrina anao aho momba ny rotsam-potaka. Ianao no tompon'andraikitra raha maty ny vadinao sy ny zanakao vavy."

Niezaka mafy i Orestil ary niaraka tamin'ny fanampian'i Victor dia tonga teny amin'ny toerana misy ny tranony. Nangady sy nandoatra tao anaty fotaka izy. Avy eo dia niato izy.

Orestil: "Maty ny vadiko... Fa jereo iry, toa misy zavatra mihetsika... TiFam!"

Nanafaka ny zanany vavy tao anaty korontan-javatra rava izy, nanainga azy ary nitrotro azy.

Orestil: "TiFam, TiFam-ko!"

Victor: "Jesoa Tompo ô, vonjeo izahay. Andefaso misionera hitondra sakafo sy fanafody izahay."

Novalian'i Jesoa ny vavaka nataon'i Victor. Tao anatin'ny fotoana fohy dia voaray ny fanampiana ary nentina tamin'ny helikoptera ho any amin'ny hopitalin'ny misionera i TiFam.

Ho fantatrao izay nitranga taminy raha mihaino ny tantara manaraka ianao.


Mpandray anjara: Mpitantara, Orestil, Victor

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:14 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)