Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 123 (The runaway)
123. Ny mpandositra
Nihazakazaka teo amin'ilay lalana kely izy, tafitohina tamin'ny vato ary nandratra ny tongony tamin'ny tsilon'ny kirihitra.
Onesimosy (misefosefo): "Tsy maintsy miala aho. Leo aho!... Tsy te hiasa toy izao intsony aho isan'andro. Hanomboka fiainana vaovao aho. Lavitra, tena lavitra be. Saingy tsy maintsy mitandrina aho mba tsy ho tratran'izy ireo."
Voasazy mafy dia mafy ireo andevo izay mandositra. Na izy ireo nasiana marika amin'ny vy mamay teo amin'ny vatany na nomena atao sakafon'ny bibidia.
Izany eritreritra izany mihitsy no nahatonga an'i Onesimosy hiazakazaka haingana kokoa.
Ny anarany dia midika hoe "ilaina". Mety ho an'ny olona avy nangalatra mialohan'ny nandosirany ve io anarana io?
Nanonofy fiainana vaovao tany amin'ny firenena vahiny izy. Te hiafina tany Roma izy. Iza anefa no nihevitra fa hihaona amin'ny sakaizan'ny tompony ao amin'io tanàna lehibe io i Onesimosy?
Paoly: "Izany tokoa, nandositra ianao."
Onesimosy: "Maniry zavatra eo amin'ny fiainana aho fa tsy ho andevo fotsiny."
Paoly: "Ary faly amin'izao fiainanao vaovao izao ve izany ianao?"
Onesimosy: "Raha ny marina, hafa tanteraka ny eritreritro... Raha tsy nandositra mantsy aho... Ary mbola eo ihany koa ilay resaka vola! Heveriko fa tsy dia ratsy loatra izao toe-javatra nisy ahy iza."
Paoly: "Onesimosy, nitady fiainam-baovao tamin'ny toerana ratsy ianao."
Tany Roma, rehefa nifandray tamin'i Paoly i Onesimosy no nahatsapa fa tsy misy afa-tsy ao amin'i Jesoa ihany no ahitantsika fiainam-baovao. Fa mamela heloka sy ny fanamelohan-tena Izy sy manavao antsika. Efa naniry ny hanomboka ny fiainanao tahaka ny tamin'ny voalohany ve ianao? Jesoa no manome fiainana vaovao. Omeny izay rehetra miaiky ny helony sy matoky Azy izany.
Nandray izany fiainana vaovao izany i Onesimosy. Inona àry no dingana manaraka?
Paoly: "Ny tsara indrindra dia ny miverina any amin'i Filemona tomponao ianao."
Onesimosy: "Miverina any?"
Paoly: "Aza manahy, fa hanoratra taratasy aho mba homenao azy. Namako izy, tia an'i Jesoa izy ary handray anao amin-kafaliana."
Noho izany, dia niverina tany i Onesimosy.
Filemona: "Tonga eto indray ianao! Efa nitady anao izahay teny rehetra teny."
Onesimosy: "Nitondra ity taratasy ity ho anao aho."
Filemona: "Ry Filemona malala, mandefa an'i Onesimosy any aminao aho. Efa nanomboka fiainam-baovao niaraka tamin'i Jesoa izy, ary raha nanao ratsy taminao izy, dia izaho no handoa ny vidiny sy hamerina ny toe-javatra amin'ny laoniny."
Nekena am-pitiavana i Onesimosy ary niara-nitoetra tamin'i Filemona tamin'ny fo madio izy.
Noho ny amin'i Jesoa, dia nanana fiainana vaovao tany amin'ny toerana taloha izy.
Mpandray anjara: Mpitantara, Onesimosy, Paoly, Filemona
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina