Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 124 (The best counselor 1)
124. Ny mpanolontsaina tsara indrindra 1
Nandroso tamin'ny lafiny rehetra ny fanomanana ny fitsidihan'ny fanjakana. (feon'ny mozika) Nandeha ny mozika, natsangana ny saina ary naroso ireo karazana sakafo matsiro. Tsy nanan-tsahala ny fandraisana an'i Josafata mpanjakan'ny fanjakana avy any atsimon'ny Israely. Moa ve izy niahiahy ny anton'ity fanasana ity? Tsy nandany fotoana firy i Ahaba mpanjaka tamin'ny fanambarana ny fikasany.
Ahaba: "Ry Josafata mpanjaka ô, tsy ahy intsony Ramota. Mahasosotra ahy izany. Afaka manampy ahy hiverina hahazo ny tanàna va ianao?"
Josafata: "Mazava ho azy. Afaka miantehitra amin'ny miaramilako ianao. Fa tsy tokony hangataka izay torohevitra voalohany avy amin'Andriamanitra ve isika? Tiako foana ny manao izay faniriany."
Tsara foana ny manapa-kevitra miaraka amin'Andriamanitra. Raiso ny ohatr'i Josafata mpanjaka. Azoko antoka fa izany no tsiambaratelony tamin'ny fahombiazany teo amin'ny fiainany.
Tia an'i Josafata avokoa ny rehetra. Nanana miaramila an-tapitrisany izy. Tsy nisy sahy nanafika azy ny fahavalony. Nandray fanomezana avy amin'ny toerana maro izy.
Andriamanitra no mpanolo-tsaina an'i Josafata. Nangataka torohevitra avy tamin'Andriamanitra foana izy manoloana isaky ny misy fanapahan-kevitra.
Tena hafa, hafa mihitsy i Ahaba mpanjaka. Tsy tiany mihitsy io soso-kevitra io.
Mety hitranga amin'ireo manodidina anao ihany koa izany raha te hanoro hevitra ny hafa hihaino an'Andriamanitra ianao. Matetika ny valin-tenin'izy ireo dia ny hoe tsy lamaody intsony izany, toy ny tamin'i Ahaba mpanjaka.
Ahaba: "Tokony hanao izany ve isika? Eny àry, ry mpanompo, antsoy ny mpaminany!" (feon'ny fandehan'olona)
Ahaba: "Tokony hanafika ny tanànan'i Ramota ve isika sa tsia?"
Mpaminany: "Tafio ry zareo! Azo antoka fa hahazo ny fandresena ianareo."
Afa-po ny mpanjaka Ahaba. Tsy nitovy taminy anefa i Josafata mpanjaka. Hainy ny nanavaka ny feon'Andriamanitra, fa tsy izy ilay nambara teo. Ireo mpaminany 400 ireo dia mpandainga. Nolazain'izy ireo tamin'i Ahaba izay tiany ho re, satria hahazo valisoa vokatry ny fanaovana izany izy ireo.
Josafata: "Tsy misy mpaminany hafa azontsika anontaniana ve?"
Ahaba: "Misy hafa ihany koa, kanefa halako izy."
Josafata: "Avelao izy ho avy."
Tonga i Mikaia. Tena irak'Andriamanitra izay tia mivazivazy indraindray.
Ahaba: "Mikaia, hamely an'i Ramota va isika?"
Namaly am-pitsikina i Mikaia nanao hoe:
Mikaia: "Mazava ho azy fa handresy ny fahavalo ianao."
Ahaba (tezitra): "Tokony hilaza ny marina ianao. Inona no nolazain'Andriamanitrao taminao?"
Tena te hihaino ny torohevitr'Andriamanitra ve izy? Angamba te hihaino azy ireo izy, nefa azo antoka fa tsy hampihatra izany.
Lasa matotra i Mikaia.
Mikaia: "Nasehon'Andriamanitra tamiko fa tsy ho ela ny miaramilanao dia ho toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ahaba mpanjaka ô, ny miaramilanao hody tsy misy anao."
Ahaba (tezitra): "Renao ve izany? Efa nambarany ny fanamelohana ahy ho faty. Atsipazo any an-tranomaizina izy! Ataovy avy hatrany!"
Ao amin'ny tantara manaraka dia handre ny zava-nitranga ianao.
Mpandray anjara: Mpitantara, Josafata, Ahaba, Mikaia, mpaminany
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina