Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 142 (Doomed man 3)
142. Hoavy voaheloka 3
Dokotera: "Atoa Taylor, tena marary mafy ianao. Ataovy ny didm-panananao. Tsy ho ela velona intsony ianao."
H.T.: "Tsia an, ho tafavoka eto aho! Ho ela velona aho. Manana asa ho ahy any Chine Andriamanitra. Ary raha sanatria maty aho, dia hiaraka amin'i Jesoa, ary tsy manam-paharetana mihitsy aho miandry an'izany."
Nifindr an'ny aretina, tamin'ny alalan'ny fatin'ny lehilahy iray izay matin'ny tazo mahatsiravina i Hudson Taylor. Tsy nisy olona noheverina ho tafavoaka velona tamin'izany. Niaro azy anefa i Jesoa. Rehefa sitrana izy, dia nanohy ny fianarany ara-pitsaboana i Hudson, satria nilainy izany tamin'ny asa fitoriana tany Chine.
Tamin'ny 19 septambra 1853 dia efa vonona izy. Niakatra tamin'ilay sambo antsoina hoe "Dumfries" izy, avy any Angletera nankany Chine. Zara raha niala kely teo amin'ny seranan-tsambo izy ireo dia efa tratran'ny tafio-drivotra mafy ilay sambo. Nandrahona ny handrendrika ny sambo sy ny tantsambo rehetra ny onja. Nefa Jesoa, Ilay Mpiaro lehibe, dia tsy namela azy ireo ho rendrika.
Indray mandeha ihany koa, tsy nisy rivotra mihitsy. Nihantona ny sambo. Avy eo, nisy korian-dranomasina mahery nanosika ilay sambo nankany amin'ny harambato. Tena kivy ilay kapiteny.
Kapiteny: "Izao no fiafarantsika, tsy misy azo atao intsony."
H.T.: "Mino aho fa mbola misy zavatra iray hafa azontsika atao."
Kapiteny: "Inona izany?"
H.T.: "Afaka mivavaka isika ary mangataka amin'Andriamanitra mba handefa ny rivotra."
Nivavaka i Hudson Taylor ary nino mihitsy fa hanampy azy ireo Andriamanitra.
H.T.: "Ampidino ny lay lehibe!"
Kapiteny: "Fa tsy misy dikany anie izany e!"
H.T.: "Handefa ny rivotra Andriamanitra."
Kapiteny: "Tsy mahasakana ny tenako tsy hihomehy aho. Te hahita an'izany aho..."
Nahita fahagagana anefa ilay mpaneso. Tampoka teo dia nitsoka tao anaty lay ny rivotra, ary nandroso ilay sambo, nandalo tsy nisy fahasarotana teo amin'ilay harambato mampidi-doza.
Nametrahan'i Jesoa ny tanany mpiaro indrindra ny sambo "Dumfries". Niantsona tany Shanghai izy ireo ary nandatsaka vatofantsika.
Nitomany tamim-pifaliana i Hudson rehefa nanitsaka ny tany sinoa. Te hiresaka tamin'ireo olona ireo momba Ilay Mpiaro azy izy. Izany no antony nianarany ny fitenin'izy ireo. Asa mafy ilay izy. Narary ny lelany indraindray.
H.T.: "Sirr Jesu ai o, za Tscheng Tsching kau su o."
Toa efa ela ny Sinoa no niandry ny hahatongavan'ny olona iray hilaza aminy momba an'i Jesoa Tompo. Saingy tsy voaray tsara izy ireo sy ny mpiray-dia taminy tamin'izay rehetra nalehany...
Vehivavy: "Aza mandeha any Tungschau fa ratsy fanahy ny olona ao. Hovonoiny ianareo na hataony any am-ponja."
H.T.: "Raha ratsy fanahy ny olona dia tsy maintsy manatona azy isika. Mila an'i Jesoa izy ireo."
(feo mitabataba)
Betsaka ny zava-nitranga tao Tungschau! Hotantaraiko aminareo amin'ny tantara manaraka izany.
Mpandray anjara: Mpitantara, dokotera, Hudson Taylor, kapiteny, vehivavy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina