STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 056 (God forgets no one 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

56. Andriamanitra tsy manadino na iza na iza 4


Niandry i Josefa. Nandeha ny herinandro, ary avy eo herinandro iray hafa. Iray volana. Roa volana... Fotoana maro no lasa ary nieritreritra i Josefa hoe:

Josefa: "Tsy meloka aho, kanefa aty am-ponja. Nahoana no tsy misy olona mamoaka ahy ato?"

Nampanantena an'i Josefa ny voafonja iray fa hiteny ny momba azy amin'i Farao izy. Nanadino an'i Josefa anefa izy. Roa taona lava be no lasa taorian'izay. Nisy Iray tsy nanadino an'i Josefa: Andriamanitra. Nampanantena azy Izy fa ho mpanjaka lehibe. Ary indro Andriamanitra dia manomboka manatanteraka izany fampanantenana izany.

Nanonofy i Farao. Saingy tsy nisy olona afaka nilaza taminy ny dikan'io nofy io, hany ka tezitra izy. Soa ihany anefa fa nisy zavatra tsaroan'ny mpanompon'i Farao tampoka.

Mpanompo: "Mahafantatra olona afaka mandika ny nofy aho: Josefa. Lasa any am-ponja izy kanefa tsy nanan-tsiny. Tena adinoko tanteraka izy."

Farao: "Ento etỳ amiko avy hatrany izy."

Notanterahina ny baikon'i Farao.

Nentina teo anatrehan'ny mpanapaka ny Egypta izy ary niankohoka teo anatrehany.

Farao: "Efa reko fa mahay mamantatra ny nofy ianao."

Josefa: "Ry Farao Lehibe, tsy afaka manao izany aho, fa Andriamanitra no afaka."

Farao: "Nanonofy aho, hoe teo amoron'i Neily; nisy ombivavy matavy fito nivoaka avy tao anaty rano, kanefa nohanin'ny ombivavy fito mahia. Avy eo dia nanonofy aho fa nisy salohim-bary fito tsara tarehy sy feno tsara, izay natelin'ny salohim-bary fito mahia. Inona no dikan'izany? Azonao hazavaina amiko ve izany?"

Josefa: "Efa nolazain'Andriamanitra taminao fa hisy fito taona mahavokatra ho avy, ary hisy vokatra be ho tonga any Ejipta. Saingy fito taona mosarena no hanaraka izany. Tsy hisy na inona na inona hitsiry. Tena hitranga tokoa izany. Ny zavatra tsara indrindra hatao dia mitady lehilahy hendry hanangona ny varim-bazaha amin'ny taon-jina be, mba tsy ho mosarena ny olona amin'ny fito taona mosarena."

Resy lahatra tamin'izany hevitra izany i Farao.

Farao: "Ry Josefa, Hianao izany lehilahy izany. Andriamanitra no momba anao, ary Izaho hanendry anao ho mpanampy ahy. Ary ny olona rehetra eto Egypta dia tsy maintsy mankato anao."

Izany no nahatonga an'i Josefa ho lehilahy faharoa faran'izay natanjaka indrindra teo amin'ny firenena. Saika tsy nino izany izy. Tsy nanadino azy Andriamanitra, na dia toa izany aza no tranga hita indraindray.

Nankahala azy ny rahalahiny, namidy ho andevo izy ary avy eo naiditra am-ponja na dia tsy nanan-tsiny aza.

Niaritra ny mafy nandritra ny folo taona i Josefa. Tokony hampahery anao izany. Andriamanitra dia tsy manadino na iza na iza, na dia ianao aza. Afaka mino Azy ianao ary matoky Azy eo amin'ny fiainanao. Ho hitanao tsy ho ela fa mbola nanao zavatra mahatalanjona kokoa Andriamanitra tamin'ny alalan'i Josefa. Aza adino àry sao ny tantara manaraka!


Mpandray anjara: Mpitantara, Josefa, mpanompo, Farao

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:37 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)