Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 031 (Alarm on the farm)
31. Fanairana tao amin'ny toeram-piompiana sy fambolena
Fantatrao ve i Tom? Monina ao amin'ny toeram-pambolena sy fiompiana iray any Amerika Atsimo izy. Tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany dia zanak'akoho kely tena izy no azony. Nokarakarainy sy nokolokoloiny manokana ilay zanak’akoho. Nitombo tsikelikely ilay zanak'akoho ary lasa akohovavy. Ilay lokom-bolony mavo dia lasa volon'akoho fotsy tsara tarehy, ary izany no antony niantsoan'i Tom azy hoe Mme Blanche. Tao amin'ny tranoambo (fitehirizana sakafom-biby) no nanaovan'i Tom ny akani-borona hanatodizan'i Mme Blanche. Isaky ny mametraka atody Mme Blanche dia ampahafantariny ny rehetra izany.
(Feon'akohovavy mikoraraika)
Kanefa raha mbola naniry ny katsaka teny an-tsaha, dia nitsahatra tsy nanatody i Mme Blanche.
Tom: "Neny o, inona no manjo an'i Mme Blanche? Tsy nanatody intsony izy sady lasa miafina any amin'ny tanin-katsaka!"
Ny reniny: "Miandrasa kely ry Tom."
Niteny izany tamim-pitsikiana ny reniny.
Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia takatr'i Tom ny antony.
Tom: "Neny, Neny, jereo!"
Nihiaka tamim-pifaliana i Tom. Nivoaka avy tany an-tsaha niaraka tamin'ny zanak'akoho be dia be i Madame Blanche. Tena faly be i Tom!
(Feon'ny kiririoka fanairana)
Indray andro, nisy ny fanairana amin'ny fisian'ny amin'ny hai-trano vokatry ny afo. May avokoa ny tanin-katsaka, saika nanenika ny toeram-pambolena sy fiompiana ny afo.
Tom: "Ary nankaiza i Mme Blanche...? Sao dia…"
Tsy te-hanana eritreritra hafa i Tom raha mbola mikaroka manerana ny saha. Fa inona iry tazana iry? Hitan'i Tom teo amin'ny tongony efa may tanteraka izy. Nobatainy izy. Ary hitany teo ambanin'ny reniakoho ny zanany rehetra raiki-tahotra sy mitangorona tao. Niverina tany amin'ny ray aman-dreniny i Tom ary nanontany hoe:
Tom: "Ahoana no nahatonga izao?"
Ny reniny: "Mora tsapan'ny biby rehefa tena akaiky ny loza. Rehefa nanakaiky ny afo, dia nitady fiarovana tamin'ny reniny ireo akohokely ireo. Afaka nandositra nanidina ilay reniny saingy tsy afaka nanao izany ireo zanany. Tian'i Mme Blanche ireo zanany kely, ka dia nasokafany ny elany hanaronany azy ireo dia ny tenany no main'ny afo fa tsy ny zanany kely. Nanao sorona ny tenany izy mba hahatonga ny zanany ho velona."
Ny Rainy: "Azo ampitahaina amin'izany ny fitiavan'i Jesoa. Tom tsarovy mandrakariva fa Jesoa nanolotra ny ainy an-tsitrapo mba ho velona isika."
Mpandray anjara: Mpitantara, Tom, reniny, rainy
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina