Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 013 (Gifts for Jesus)
13. Fanomezana ho an'i Jesoa
Nijery ny raibeny izay nanao ireo sary sokitra izay atao ao amin'ny fihinanam-bilona i Tomasy.
Tena ohatran'ny nisy tokoa izy ireo: ireo mpiandry ondry, i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely.
Nihareraka izy, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia resin-tory ihany izy tamin'ny farany.
Nanofy ilay tranon'omby tao Betlehema izy.
"Oay" hoy i Tomasy tao an-tsainy, "tena afaka ho eo akaikin'ilay fihinanam-bilona aho."
Nanatona akaiky kokoa izy ary tampoka teo dia nalahelo. Ary Jesoa niteny taminy.
Jesoa: "Nahoana ianao no malahelo be?"
Tomasy: "Satria tsy nitondra fanomezana ho anao aho."
Jesoa: "Aza malahelo. Zavatra telo monja no tadiaviko aminao."
Tomasy: "Omeko anao daholo izay rehetra ananako. Ny fiaran-dalamby mandeha amin'ny herinaratra, ny lalao amin'ny solosaina ary ..."
Jesoa: "Tsia, tsy izany no tadiaviko avy any aminao. Fa tsy izany no antony nahatongavako avy tany an-danitra ho ety an-tany."
Tomasy: "Inona àry no tadiavinao?"
Jesoa: "Omeo ahy ny fanandinana kajy farany nataonao."
Tomasy: "Fa nahazo naoty ratsy dia aho tamin'iny fanazarana iny."
Jesoa: "Izany no antony itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra tsy ampy eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?"
Tomasy: "Eny, hanao izany aho."
Jesoa: "Ny fanomezana faharoa tiako dia ny vilia fihinananao varimbazaha."
Tomasy: "Tsy afaka manome izany ho anao aho satria vaky ilay izy."
Jesoa: "Izany antony izany no itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra vaky eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?"
Tomasy: "Eny, hanao izany aho."
Jesoa: "Izao indray ny faniriako fahatelo. Tiako omenao ahy ny valin-teny nomenao ny reninao rehefa nanontany anao izy hoe nanao ahoana ny fomba nahavaky ilay vilia fihinananao varimbazaha."
Teo dia nanomboka nitomany i Tomasy, ary tena vaky ny fony.
Tomasy: "Izaho... Nandainga taminy aho."
Jesoa: "Tomasy, ny lainganao, ny zava-manahirana anao, ny zava-dratsy rehetra eo amin'ny fiainanao: azonao entina atỳ amiko avokoa; ny fiainanao manontolo. Mamela heloka anao aho ary hanampy anao handeha amin'ny làlana marina. Homba anao mandrakariva aho ary hanoro anao ny lalan'ny fiainana. Tianao ve izany?"
Tena naniry izany tokoa i Tomasy! Hatramin'izay fotoana izay dia nino an'i Jesoa izy sady nihaino azy.
Mpandray anjara: Mpitantara, Tomasy, Jesoa
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina