Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
Spotify Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 013 (Gifts for Jesus)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

13. Fanomezana ho an'i Jesoa


Nijery ny raibeny izay nanao ireo sary sokitra izay atao ao amin'ny fihinanam-bilona i Tomasy.

Tena ohatran'ny nisy tokoa izy ireo: ireo mpiandry ondry, i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely.

Nihareraka izy, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia resin-tory ihany izy tamin'ny farany.

Nanofy ilay tranon'omby tao Betlehema izy.

"Oay" hoy i Tomasy tao an-tsainy, "tena afaka ho eo akaikin'ilay fihinanam-bilona aho."

Nanatona akaiky kokoa izy ary tampoka teo dia nalahelo. Ary Jesoa niteny taminy.

Jesoa: "Nahoana ianao no malahelo be?"

Tomasy: "Satria tsy nitondra fanomezana ho anao aho."

Jesoa: "Aza malahelo. Zavatra telo monja no tadiaviko aminao."

Tomasy: "Omeko anao daholo izay rehetra ananako. Ny fiaran-dalamby mandeha amin'ny herinaratra, ny lalao amin'ny solosaina ary..."

Jesoa: "Tsia, tsy izany no tadiaviko avy any aminao. Fa tsy izany no antony nahatongavako avy tany an-danitra ho ety an-tany."

Tomasy: "Inona àry no tadiavinao?"

Jesoa: "Omeo ahy ny fanandinana kajy farany nataonao."

Tomasy: "Fa nahazo naoty ratsy dia aho tamin'iny fanazarana iny."

Jesoa: "Izany no antony itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra tsy ampy eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?"

Tomasy: "Eny, hanao izany aho."

Jesoa: "Ny fanomezana faharoa tiako dia ny vilia fihinananao varimbazaha."

Tomasy: "Tsy afaka manome izany ho anao aho satria vaky ilay izy."

Jesoa: "Izany antony izany no itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra vaky eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?"

Tomasy: "Eny, hanao izany aho."

Jesoa: "Izao indray ny faniriako fahatelo. Tiako omenao ahy ny valin-teny nomenao ny reninao rehefa nanontany anao izy hoe nanao ahoana ny fomba nahavaky ilay vilia fihinananao varimbazaha."

Teo dia nanomboka nitomany i Tomasy, ary tena vaky ny fony.

Tomasy: "Izaho... Nandainga taminy aho."

Jesoa: "Tomasy, ny lainganao, ny zava-manahirana anao, ny zava-dratsy rehetra eo amin'ny fiainanao: azonao entina atỳ amiko avokoa; ny fiainanao manontolo. Mamela heloka anao aho ary hanampy anao handeha amin'ny làlana marina. Homba anao mandrakariva aho ary hanoro anao ny lalan'ny fiainana. Tianao ve izany?"

Tena naniry izany tokoa i Tomasy! Hatramin'izay fotoana izay dia nino an'i Jesoa izy sady nihaino azy.


Mpandray anjara: Mpitantara, Tomasy, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on September 15, 2025, at 07:22 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)