STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 013 (Gifts for Jesus) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
13. Fanomezana ho an'i JesoaNijery ny raibeny izay nanao ireo sary sokitra izay atao ao amin'ny fihinanam-bilona i Tomasy. Tena ohatran'ny nisy tokoa izy ireo: ireo mpiandry ondry, i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely. Nihareraka izy, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia resin-tory ihany izy tamin'ny farany. Nanofy ilay tranon'omby tao Betlehema izy. "Oay" hoy i Tomasy tao an-tsainy, "tena afaka ho eo akaikin'ilay fihinanam-bilona aho." Nanatona akaiky kokoa izy ary tampoka teo dia nalahelo. Ary Jesoa niteny taminy. Jesoa: "Nahoana ianao no malahelo be?" Tomasy: "Satria tsy nitondra fanomezana ho anao aho." Jesoa: "Aza malahelo. Zavatra telo monja no tadiaviko aminao." Tomasy: "Omeko anao daholo izay rehetra ananako. Ny fiaran-dalamby mandeha amin'ny herinaratra, ny lalao amin'ny solosaina ary..." Jesoa: "Tsia, tsy izany no tadiaviko avy any aminao. Fa tsy izany no antony nahatongavako avy tany an-danitra ho ety an-tany." Tomasy: "Inona àry no tadiavinao?" Jesoa: "Omeo ahy ny fanandinana kajy farany nataonao." Tomasy: "Fa nahazo naoty ratsy dia aho tamin'iny fanazarana iny." Jesoa: "Izany no antony itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra tsy ampy eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?" Tomasy: "Eny, hanao izany aho." Jesoa: "Ny fanomezana faharoa tiako dia ny vilia fihinananao varimbazaha." Tomasy: "Tsy afaka manome izany ho anao aho satria vaky ilay izy." Jesoa: "Izany antony izany no itiavako azy. Ento aty Amiko foana izay rehetra vaky eo amin'ny fiainanao. Te hanao izany ve ianao?" Tomasy: "Eny, hanao izany aho." Jesoa: "Izao indray ny faniriako fahatelo. Tiako omenao ahy ny valin-teny nomenao ny reninao rehefa nanontany anao izy hoe nanao ahoana ny fomba nahavaky ilay vilia fihinananao varimbazaha." Teo dia nanomboka nitomany i Tomasy, ary tena vaky ny fony. Tomasy: "Izaho... Nandainga taminy aho." Jesoa: "Tomasy, ny lainganao, ny zava-manahirana anao, ny zava-dratsy rehetra eo amin'ny fiainanao: azonao entina atỳ amiko avokoa; ny fiainanao manontolo. Mamela heloka anao aho ary hanampy anao handeha amin'ny làlana marina. Homba anao mandrakariva aho ary hanoro anao ny lalan'ny fiainana. Tianao ve izany?" Tena naniry izany tokoa i Tomasy! Hatramin'izay fotoana izay dia nino an'i Jesoa izy sady nihaino azy. Mpandray anjara: Mpitantara, Tomasy, Jesoa © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |