Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 014 (A slap for the King)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

14. Tehamaina ho an'ny mpanjaka


Nanafika an'i Angletera ny Vikings efa fotoana ela izay. Namafy tahotra sy hotakotaka ireto tantsambo ratsy fanahy ireto. Nodoran'izy ireo ny trano sy ny fiangonana. Nisy fotoana fohy nandresy azy ireo ny mpanjaka Alfred, kanefa resy ihany izy tamin'ny farany. Nanenjika azy ny fahavalony. Tsy maintsy nandao ny lapany izy sady nandositra.

Nanova ny endriny ho toy ny mpirenireny izy ary niafina tany anaty ala. Ilay mpanjaka tsy misy mahafantatra! Vitsy ny olona nahafantatra hoe iza marina izy. Ny iray tamin'ireo olona ireo dia ny mpiandry ondry antsoina hoe Ulfric. Izy dia tsy hamadika ny mpanjakany mihitsy. Nasainy nandroso tao an-tranony izy, saingy na ny vadiny aza tsy nahalala hoe iza io vahiny io. Gaga ilay vehivavy fa nipetraka teo amin'ny latabatra foana ny vahinin'izy ireo, ary tena lasan'erittreritra lalina. Tsy fantany mihitsy hoe io ilay mpanjaka.

Indray andro, nitrerona mafy izy hoe:

Vehivavy: "Efa ampy ahy izay! Mandritra ny tontolo andro, mipetraka eo fotsiny ianao tsy manao na inona na inona. Tandremo mba tsy ho may io mofomamy io. Handeha any amin'ny fantsakana aho mba haka rano."

Nandeha teo akaikin'ny afo tamin'ny fahanginana ny mpanjaka Alfred. Sahiran-tsaina tamin'ireo fahavalony izy. Mety hisy fomba hafa handreseny ve...?

Tehamaina no nanaitra azy tao anatin'izany nofinofy izany. Tafaverina ilay vehivavy, mainty ilay mofomamy, ary nahatsiravina ny fofona.

Vehivavy: "Kamolahy ianao! Mivoaha teto!"

Tonga tao an-dakozia tamin'izay fotoana izay ny vadiny.

Lehilahy: "Ravehivavy, nahoana ianao no sahy miteny tahaka izany amin'ny mpanjaka? Tsy mahafantatra azy angaha ianao?"

Tsy ho fantatsika mandrakizay izay zava-nitranga taorian'izay.

Fa ity tantaran'ny mpanjaka tsy fantatra ity dia mampahatsiahy ahy an'i Jesoa Tompo. Ratsy kokoa aza ny Azy, sa tsy izany? Fony izy tao amin'ny fihinanam-bilona 2000 taona lasa izay, saika tsy nisy nahafantatra azy ny olona. Ary taty aoriana, tsy naniry hiaraka tamin'ny Zanak'Andriamanitra ny olona. Voaheloka sy natao tsinontsinona Izy, ary maty teo amin'ny hazo fijaliana.

Ary amin'izao fotoana izao? Mbola Ilay Mpanjaka tsy fantatra ihany Izy amin'izao fotoana izao.

Tianao ho mpanjaka eo amin'ny fiainanao ve Izy?


Mpandray anjara: Mpitantara, vehivavy, lehilahy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 03, 2025, at 05:19 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)