STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 015 (The baked Bible) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
15. Ilay Baiboly tao anaty lafaoroVehivavy: "Tonga izy ireo! Tonga izy ireo!" Nahandro mofo ilay vehivavy sady nijery teo am-baravarankely. Hitany teo fa tonga tao an-tranony ireo mpanenjika ny Kristianina. Fanaon' izy ireo ny nikaroka eran'ny trano rehetra, maka ny Baiboly sy ny fihirana ary nandoro izany rehetra izany. Lehilahy: "Sokafy e! Sokafy avy hatrany!" (feon'ny fandondonana eo amin'ny am-baravarana) Inona re no tokony hataony? Nalainy haingana ny Baiboliny, nofonosiny tao anaty koba ilay boky sarobidy sy tiany indrindra, ary nataony tao anaty lafaoro. Dia tora-kovitra izy ka namoha ny varavarana ary nijery ireo lehilahy izay nanipy ny talantalana, nanokatra ny vatasarihana ary nijery ny fananany rehetra. Korontana anie izany e! Saingy tsy nahita na inona na inona izy ireo. Notrerominy mafy izy ary nakatrony ny varavarana sady lasa izy ireo! (Feon'ny varavarana mikatroka) Rehefa tony ny tao an-trano, dia nalain'ilay vehivavy tao anaty lafaoro ilay mofo voaendy, ary hitany tsara tao anatiny ny Baiboliny; tsy nisy fahasimbana. Voarara ny manana Baiboly tany amin'ny fireneny. Nankatò an'Andriamanitra anefa izy fa tsy olona, hany ka nanohy namaky miafina ny Tenin'Andriamanitra. Nanome hery sy herim-po azy isan'andro izany. (mozika lafika) Mahitsy ny fitsipiky ny Tompo ka mahafaly ny fo izany; Manana Baiboly ve ianao ao an-trano? Aza avela ho feno vovoka eo amin'ny talantalanao. Vakio ny Baiboly ka mifalia amin'izay lazain'Andriamanitra aminao. Raha tsy manana Baiboly ianao ary te hanana iray, dia afaka mangataka iray amiko. Mety ho lasa ilay boky tianao indrindra ihany koa ny Baiboly. Mpandray anjara: Mpitantara, vehivavy, lehilahy © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |