Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 118 (Sled crash 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

118. Loza tamin'ny kalesy 2


Tsy tianao ve ny handeha an-tsekoly amin'ny sarety fa tsy amin'ny fiara fitaterana mpianatra? I Annette sy Lukas, izay nipetraka tany amin'ny Alpes Soisa, dia nandeha sariety nandalo ny lohasaha isa-maraina. Tsy afaka niaraka anefa satria tsy nifankahazo am-po. Nahoana no sarotra be ny nifanaraka?

Nitranga ilay zavatra indray talata izay. Tsy tian'i Lukas hitranga anefa izany. Tena tsy izany no fikasany. Nandeha haingana be izy ka nifandona tamin'ny seriety nisy an'i Annette hany ka naira- nianjera tao anaty lavaka izy roa.

Annette: "Adala a! Tsy afaka mitandrina ve ianao? Tsy misy maso ve eo amin'ny lohanao?"

Lukas: "Annette, miala tsiny aho. Andraso fa hampiako ianao."

Annette: "Avelao aho! Afaka miahy ny tenako tsy misy anao aho."

Lukas: "Aza sosotra loatra tahaka izao, ry adala a."

Tonga efa tara be tany an-tsekoly i Annette rehefa nangatsiaka hatrany amin'ny taolana, sady nitondra boky lena.

Mpampianatra: "Fa inona no nitranga?"

Annette: "Fahadisoan'io Lukas io. Nanosika ahy tao anaty lavaka izy, dia nandositra ary navelany irery teo aho."

Nangoraka an'i Annette ny rehetra ka nijery masiaka an'i Lukas kosa. Tsy nisy nahalala fa ratsy toa ny an'i Lukas ihany koa ny fon'i Annette. Samy niandany tamin'ilay mpiara-mianatra tsara fanahy sady tsy nanana reny intsony izy ireo.

Ny olona mijery izay ety ivelany amintsika, fa Andriamanitra kosa mijery ny ao am-pontsika.

Nisy feo kely nilaza tamin'i Annette sy i Lukas fa fahotana ny fankahalana. Saingy tsy nisy tamin'izy ireo naniry ny hanao ny dingana voalohany. Niharatsy hatrany arak'izany ny toe-draharaha.

Rehefa tonga ny lohataona, rehefa nitsonika ny ranomandry, dia nifanena tamin'i Danny izay nilalao niaraka tamin'ny sakany teny amin'ny sisin'ny tendrombohitra i Lukas.

Lukas: "Inona no ataonao?"

Danny: "Mioty voninkazo ho an'i Annette aho."

Lukas: "Pff, ho an'i Annette? Vendrana anie ny anabavinao e!"

Nalain' i Lukas ny fehezam-boaninkazo antsoina hoe sahondra tany amin'i Danny, natsipiny tamin'ny tany ary nohitsakitsahiny.

Danny: "Holazaiko amin'ny dadako ianao."

Lukas: "Tsia, tsy hanao an'izany ianao."

Nalain'i Lukas ny sakan'i Danny ary nentiny teo ambonin'ilay hantsana lalina. Dia nitranga haingana dia haingana teo ny zava-drehetra. Norangotin' i Blanche-neige i Lukas, dia nalatsany tao anaty hantsana ilay saka. I Danny, izay vao dimy taona monja, dia nihazakazaka nidina nankany amin'ilay sakany, nigorisa ary nianjera tao anaty hantsana. Taitra i Lukas ka nijery teo ambany.

Lukas: "Danny! Danny, mbola velona ve ianao? Mba mitenena moa e!"

Tsy misy valiny. Nijery ny manodidina i Lukas ary nihazakazaka nody. Niafina tao an-tsompitra izy ary nitomany naharitra ela be.

Inona no nitranga taorian'izay? Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Annette, Lukas, mpampianatra, Danny

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:48 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)